Torohevitra hanesorana ny tavy amin’ny sandry
Isan’ireo faritra manaratsy bika tokoa ny sandry rehefa matavy loatra sy miroraka. Rehefa mitombo na mahazo aina nefa isika dia miangona eo amin’ny faritra manokana, toy ny sandry, ny tavy. Ny vehivavy matetika no tena voakasik’izany. Ahoana ary ny fomba atao mba hanesorana ny tavy amin’ny sandry sy hampifintina io faritra io ?
Ireo antony mety mampatavy sy mampiroraka ny sandry
Alohan’ny hiresahana ireo fomba manampy amin’ny fanesorana ny tavy eo amin’ny sandry dia andeha fantarina ny antony mampatavy io faritry ny vatana io. Samy manana ny fanangonany tavy ny vatan’olona tsirairay. Mety izany miandrona eo amin’ny sandry, ny kibo, ny fe, ny fitombenana… Miankina amin’ny anton-javatra samihafa ny faritra hiandronan’ny tavy eo amin’ny vatana ka anisan’izany ny toe-batana, ny taona, ny hormonina, ny fanafody nampiasaina…
Ahoana ny fomba atao hanesorana ny tavy eo amin’ny sandry ?
Rehefa miangona eo amin’ny sandry ny tavy dia tena maharatsy bika no toa sarotra halàna. Anisan’ireo torohevitra mahomby tsara ampiharina ny :
Fanaovana fanatanjahantena
Ny fanaovana fanatanjahantena no isan’ireo fomba manampy indrindra amin’ny fampihenana vatana sy amin’ny fanesorana ireo tavy miandrona amin’ny faritra samihafa eo aminy. Marina fa tsy misy fanatanjahantena afaka manala fotsiny ny tavy eo amin’ny faritra iray manokana toy ny sandry, ny kibo, ny fe… Misy kosa nefa ireo karazana « exercices » mampiasa mafy kokoa ny sandry ka manafaingana ny fanesorana ny tavy eo aminy sy mba hahatonga azy hifintina indray. Anisan’ireo « exercices » tsara atao raha te hampihena ny sandry ary ny « pompes » sy ny « alères ».
Fanamboarana ny fomba fiaina
Mazava ho azy fa tsy ampy hanesorana ny tavy miangona eo amin’ny sandry ny fanaovana fanatanjahantena fotsiny ihany. Raha te ahita vokatra tsara sy maharitra dia mila ny fomba fiaina amin’ny ankapobeny mihintsy no mila amboarina. Manomboka amin’ny fanovana ny fahazarana ara-tsakafo izany. Ferana arak’izay azo atao ny fihinanana siramamy sy ny sakafo voaodina ary sakafo manankarena otrikaina toy ny voankazo sy legioma no atao betsaka ambony lovia. Fadiana ny mihinan-kanina anelanelam-potoana. Ankoatra izay dia tsy atao ambanin-javatra ny fisotroana rano. Mila mahalany 1,5 litatra isan’andro raha kely indrindra.