Ireo fambaran’ny « dépression » na ny fahaketrahana
Aretina iray mahavoa olona maro ny « dépression » na ny fahaketrahana satria efa maherin’ny 280 tapitrisa no olona maneran-tany tratr’izany. Tsy azo atao tsirambina ity karazana aretin-tsaina ity satria mety mitarika amin’ny famoizam-po sy famonoan-tena raha tsy voaray an-tanana ara-dalàna. Ahoana ary ny fisehon’ny « dépression » ary oviana no mila manantona mpitsabo ?
Inona no atao hoe « dépression » na fahaketrahana
Voasokajy anatin’ny « trouble mental » na aretin-tsaina ny « dépression » na ny fahaketrahana. Miseho amin’ny alalan’ny fambara maro izy io ary tsy voatery hitovy ny fisehony eo amin’ny olona tsirairay. Mety miantomboka amin’ny alahelo na fahakiviana mandalo izy io. Rehefa tena miombo ho lasa aretin-tsaina nefa dia mety mahatonga ilay olona hiaina anaty alahelo sy fahatrotrahana mandritra ny fotoana maharitra. Raha izany no mitranga dia mety lasa misy fiantraikany eo amin’ny fiainana ara-piarahamonina, ara-kasa sy ara-pianakaviana eo amin’ilay marary izany.
Ahoana ny fisehon’ny « dépression » ?
Maro ireo fambaran’ny « dépression » na ny fahaketrahana. Matetika dia afangaron’ilay marary sy ny manodidina azy amin’ny alahelo na fahakiviana mandalo izany ka rehefa tena miombo ho aretin-tsaina lalim-paka vao mikoropaka. Anisan’ireo fisehon’ny « dépression » tokony hahamalina ary ny hoe :
-Mahatsapa alahelo sy fahakiviana maharitra herinandro na volana maro ;
-Tsy mahatsiaro faharisihana na fahafinaretana amin’ireo « activités » nahafinaritra na nahaliana teo aloha toy ny fialamboly, asa, fifandraisana amin’ny hafa ;
-Mora kizitina ;
-Mahatsiaro reraka lava na efa avy naka aina àry ;
-Tsy mahita tory na tapa-tory matetika/te hatory lava ;
-Lasa malain-komana na mahazoto homana be loatra ;
-Mahatsiaro fanaintainana ara-batana tsy fanta-pihaviana toy ny hoe marary an-doha, manakotsako ny hozatra, marary lamosina… ;
-Tsy mahavita mifantoka ary mora very tadidy ;
-Manana « pensées négatives », manamelon-tena lava, mihena ny fahatokisan-tena, manambany tena… ;
-Te hamono tena na handratra tena ;
-Mitoka-monina tsy te hifandray amin’ny hafa ;
-Mihena ny fahavitrihana miasa na mianatra, tsy mahavita ny asa efa fanao isan’andro.
Oviana no tokony hanantona mpitsabo ?
Raha tsikaritra fa maharitra na miverimberina matetika ireo fambara voalaza ireo ary lasa manimba ny fiainana dia mila manantona mpitsabo. Tsara kokoa raha mpitsabo manokana ny saina toy ny « psychologue » na ny « psychiatre » no antonina mba ahazoana « diagnostic » azo antoka ny « dépression ». Marihana fa azo tsaboina ny aretina fahaketrahana ary mety ho sitrana tanteraka rehefa nahazo ny fandraisan-tanana matihanina mifanaraka amin’izany.