• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Recette 360
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fomba fanaovana « confiture » manga

17/12/2024 09:19 © Moov.Mg

Mbola ao anatin’ny fotoana fahavokaran’ny manga isika izao. Maro ireo karazana « recettes » azo ampiasana ity voankazo vokatra be eto amintsika ity raha tsy hitanisa afa-tsy ny lasary, ny glace, ny ranom-boankazo… Azo atao « confiture » ihany koa ny manga ka zaraina eto ary ny fomba fanaovana izany.

Ireo zavatra ilaina

-Manga masaka 1kg ;
-Siramamy 700g ;
-Voasary makirana 1 ;
-Lavanila singany 1.

Ireo dingana amin’ny fanaovana azy

Sasana tsara, voasana ary tetehana atao somary madinika ny manga.
Atao anaty vilany lehibe ny manga voatetika, ny siramamy, ny ranona voasary makirana sy ny « zeste de citron ».
Silahana roa ny lavanila ary arotsaka ao anatin’ny vilany misy ireo fangaro.
Avela hipetraka mandritra ny ora iray mba hamoaka ranony ny manga.
Ataingina ambony afo amin’ny hafanana antonony ny fangaro ary aroharoana matetika mandrapangotrany.
Ahena ny afo ary avela hiketrika mandritra ny 30 hatramin’ny 40 minitra. Aroharoana matetika mandritra io fotoana io mba tsy hiraikitra.
Rehefa marihitra sy tsy misy rano intsony dia bataina teo ambony afo. Esorina ny lavanila.
Tsy endrasana mangatsiaka ny « confiture » manga fa tonga dia afindra anaty « bocal » avy hatrany. Raha ny fatran’ireo akora nampiasaina ireo dia tokony mahafeno « bocaux » salasalany 4 na 5 eo.
Hidiana tsara ny saron’ny « bocal » ary atao mihohoka mandritra ny 5 minitra eo mba hanesorana ny rivotra anatin’ny « bocal » mety mahamora simba ny « confiture ». Azo tehirizina anaty vata fampangatsiahana mandritra ny 3 herinandro.

Lire la suite

Articles Similaires