Rano nasiana voasary makirana : mahasalama tokoa ve ny fisotroana izany vao maraina ?
Fahazarana iray be mpanao ny fisotroana rano nasiana voasary makirana vao maraina. Ireo olo-malaza any ivelany no isan’ireo mankafy ary tena mandrisika ny fanaovana izany ho fikolokoloana ny vatana sy ny fahasalamana. Fa inona tokoa àry ny vokatsoa azo avy amin’ny fisotroana vao maraina ny rano nasiana voasary makirana ?
Manatsara ny fandevonan-kanina
Manampy betsaka amin’ny fandrisihana sy ny fanatsara ny fandevonan-kanina ny fisotroana rano nasiana voasary makirana araka ny voalazan’ireo mpikaroka. Ahitana « fibres insolubles » na hoe fibra tsy mora levona betsaka tokoa mantsy anatin’ity zava-pisotro ity. Ankoatra izay dia mandrisika ny famokarana « sucs gastriques » izay miasa amin’ny famotehan’ny vavony ny sakafo ihany koa ny « acidité » ananan’ny voasary makirana.
Manome rano sy manatsara ny hoditra
Miasa amin’ny fandanjalanjana ny rano ao anatin’ny vatana ny rano nasiana voasary makirana. Manampy amin’ny fihavaozan’ireo « cellules » ny vatana malaky kokoa ary manatsara ny endriky ny hoditra ihany koa ny fisotroana vao maraina ny rano nasiana voasary makirana. Ny vitamina C ao anatiny dia mahatonga ny hoditra ho malefaka sy madio noho izy mandray anjara amin’ny famokarana « collagène ». Mazava ho azy fa mila sotroina isan’andro ity zava-pisotro ity vao misy vokatra.
Manamafy ny hery fiarovana
Ny voasary makirana dia isan’ireo voankazo mitahiry vitamina C amin’ny tahany ambony. Aminy maha « antioxydant » ny vitamina C dia manampy betsaka amin’ny famokaran’ny vatana hery fiarovana izy io ary manamafy izany. Ny fizarana misotro rano nasiana voasary makirana isa-maraina dia manampy amin’ny fiarovana ny vatana amin’ireo aretina mora mifindra toy ny sery. Marihana fa tsy mahenika tanteraka ny filan’ny vatana amin’ny famokarana hery fiarovana ity zava-pisotro ity fa mila tohanana amin’ny sakafo hafa be vitamina C toy ny frezy, brocolis, poivrons…
Ireo mety ho vokadratsin’ny fisotroana rano nasiana voasary makirana
Marina fa mitondra vokatsoa maro ho an’ny vatana sy ny fahasalamana ny fisotroana rano nasiana voasary makirana nefa koa mety misy ihany ireo vokadratsy aterak’izany. Anisan’izany ohatra ny hoe mety manimba ny nify ny « acide » ao anatin’ity zava-pisotro ity. Mba hisorohana izany dia mila misotro rano tsotra iray vera vao avy misotro ilay rano nasiana voasary makirana. Ho an’ireo olona mora marary vavony na ireo marary vavony matetika dia mety vao maika hampitombo ny « acidité gastrique » ny voasary makirana ka lasa manamafy ny soritr’aretina.