Sakafo krismasy : Ferana ny sakafo mamy, be menaka ary misy akora simika !
Tena fihinanambe tokoa ny fetin'ny krismasy sy ny faran'ny taona. Manao ny ezaka rehetra mihitsy ny fianakaviana tsirairay mba hividy sakafo matsiro isan-karazany. Tsara ihany nefa ny mitandrina mba tsy hiafara amin'ny aretina ny fety.
Ferana ny sakafo mamy
Fahazarana tokoa ny mihinana "bûche de noel", mofomamy isan-karazany sy sokolà rehefa noely. Tsy ratsy akory izany, saingy mila lanjalanjaina ny fatra hanina. Tokony ferana izany ny zava-mamy omena ny tsirairay, indrindra moa ny ankizy. Amporisihana ihany koa ny fanamboarana ranomboankazo tsy dia misy siramamy. Tsy voafetra mantsy ny siramamy sy akora simika amin'ireny ranomboankazo indostrialy isankarazany ireny, na misy gaz na tsia. Tsara izany raha mividy voankazo maro karazana, hanamboarana "jus" sady hikarakarana "dessert".
Atao maro karazana ny sakafo, ary tsy atao matavy loatra
Mamono vorona sy mihinana hena matavy ny ankamaroan'ny fianakaviana rehefa fety goavana. Mba hisorohana ny aretim-bavony sy ny aretin-kibo nefa, tsy tokony atao matavy be ny laoka na dia tiana hatsiro aza. Azo andrahoana amin'ny laforo ohatra ny hena na atono raha tsy tiana ho be menaka. Raha tena tsy maintsy hatavy be ny laoka, dia aleo ampiarahana amin'ny legioma matsatotsato, ankoatra ny vary. Atao "accompagnement" izany ny legioma mifangaro sy ny vary. Tena ilaina ihany koa ny rony mamelombelon'aina toy ny ron'angivy. Manamora ny fandevonan-kanina ihany koa ireo lasary na salady somary marikivy.
Raha efa maromaro ny marary vavony ao an-trano, tsara raha tsy dia mampiasa ireo hanitra isan-karazany, ka singanina manokana amin'izany ny dipoavatra sy ny carry. Misy kosa ireo "épices" mahasoa toa ny tamotamo.
Tandremana ireo sakafo mora simba
Tena ilaharana tokoa ireo "charcuteries" sy ireo vokatra samihafa matsiro eny an-tsena. Koa satria mafana ny andro, mila mitandrina be amin'ireo sakafo indostrialy. Eny amin'ireo mpivarotra mandeha be ny entany no tokony hividy "charcuteries", ary tsy tehirizina ela loatra izany. Mila tandremana ihany koa ny "Fruits de mer" satria mamparary raha simba nefa hanina ihany. Raha azo atao dia tsy mampiasa ireo vokatra amin'ny boaty fa manamboatra : sardines, mayonnaise, glace, sns. Tsara raha mandamina fotoana mialoha mba hahavita hikarakara sakafo ara-pahasalamana tsara amin'ny fety.