Fanamboarana « verrine de saumon fumé au fromage »
Karazana « entrée froide » mora karakaraina, matsiro ary maivana afaka aroso amin’ny Krismasy na amin’ny Taom-baovao ny « verrine de saumon au fromage ». Mety tsara ity nahandro ity raha maniry mba hanao sakafo matsiro sy miova kely amin’ny mahazatra. Araho ary ny fomba fikarakarana azy.
Ireo zavatra ilaina raha hanao « verrine de saumon au fromage »
-Saumon fumé 200g ;
-Fromage frais 200g ;
-Chaire de crabe 1 boaty ;
-Voasary makirana 1 ;
-Sira sy dipoavatra
Ireo dingana amin’ny fikarakarana azy
Sasana tsara ny voasary makirana. Silahana roa ary potserina hahazoana ny ranony. Kikisana avy eo ny hodiny hahazoana ny « zeste ».
Avela hitsiaka ny chaire de crabe ary atao anaty lovia jobo. Arotsaka ao ny ranon’ny voasary makirana sy ny fromage frais. Asiana sira sy dipoavatra. Avy eo afangaro amin’ny sotro rovitra.
Tetehana atao en « dés » ny saumon fumé dia atao anatin’ny « verrines ». Apetraka ambonin’ny saumon fumé ny ilay fangaro nokarakaraina teo.
Mba hanaingoana azy dia asiana saumon fumé nosilahana fisaka eo amboniny ary rarahana ilay « zestes de citron » amin’ny farany. Apetraka anaty vata fampangatsiahana alohan’ny handrosoana azy.
Fanamarihana
Fomba tsotra fanaovana ny « verrine de saumon fumé au fromage » ihany ity natoro ity fa azo atao tsara ny manova na manatsara izany amin’ny fanampiana akora hafa. Afaka miainga amin’ity « recette » ity ihany koa raha hanao « verrines » hafa ka ireo akora no soloina.