• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Martha Stewart
Image
Fahasalamana&Sakafo

Mayonnaise : Tsy azo afangaro ny vokatra indostrialy amin'ny boaty sy ny vita tanana !

10/12/2024 10:41 © Moov

Saosy iray tsy azo ialana ny Mayonnaise rehefa misy fety. Mila tadidiana tsara nefa fa mahatonga fanapoizinana ara-tsakafo ny vokatra indostrialy amin'ny boaty sy ny vita tanana raha atambatra.

Misy akora simika samihafa ny vokatra amin'ny boaty

Misy "conservateur" sy akora simika isan-karazany ny mayonnaise amin'ny boaty. Natao haharitra aman-taonany izy ireny, sady tsy mila vata fampangatsiahana na misokatra aza. Ny mayonnaise ahodina amin'ny tanana na amin'ny masinina kosa dia natao hanina ao anatin'ny ora vitsy, ary mila vata fampangatsiahana raha ho tehirizina kely. Tsy tokony hifangaro ireo vokatra roa ireo izany, satria mahatonga fanapoizinana ara-tsakafo izany. Tsy vitan'ny aretin-kibo tsotsotra no miandry ny olona manafangaro ireo vokatra ireo, fa tena aretina mila fitsaboana maharitra mihitsy.

Mila misafidy izay Mayonnaise ampiasaina

Raha mikasa hikarakara "entrée froide" isan-karazany ka hampiasa Mayonnaise, aleo manapa-kevitra mialoha raha hanamboatra ao an-trano ihany na hividy amin'ny boaty. Tsy tokony atao ny hoe ny sakafo sasany asiana mayonnaise amin'ny boaty, ary ny sakafo sasany asiana mayonnaise namboarina tao an-trano. Mazava ho azy, tsy tokony anapohana ny mayonnaise amboarina ao an-trano ny mayonnaise indostrialy, na dia tiana hitombo haingana aza ilay fangaro. Tsy tokony afangaro ihany koa ny mayonnaise marika roa samihafa amin'ny boaty.
Mila fitandremana avy amin'ny tsirairay ny fisafidianana sy ny fandanjalanjana ny sakafo hanina amin'izao fety izao. Ny tena tsara aloha dia ny mikarakara izay sakafo sy saosy rehetra ilaina ao an-trano ihany. Sakafo ara-pahasalamana sady tsy mialon'andro no tena ilaina, mba ho fety ieren-doza.

Fitandremana raha hanamboatra mayonnaise

-Atody akoho vaovao tsara no ampiasaina, fa tsy atodim-borona
-Menaka vaovao no ilaina, fa tsy menaka avy nanendasana
-Tsy tehirizina mihoatra ny 24 ora ny Mayonnaise, na dia mandeha tsara aza ny vata fampangatsiahana
Tsy ampiarahana amin'ny sakafo mbola hafanaina ny Mayonnaise. Tsy tokony asiana an'io saosy io ohatra ny "Tacos".

Lire la suite

Articles Similaires