• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Cooking With Morgane
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fomba fanaovana « beignets de crevettes » matsiro

09/12/2024 16:07 © Moov.Mg

Efa herinandro vitsy sisa no hisaina dia tonga ny fetin’ny faran’ny taona. Samy efa mikaroka ny sakafo sy ny tsakitsaky isan-karazany ho karakaraina amin’izany isika izao. Anisan’ireo tsakitsaky matsiro tokoa ny « beignets de crevettes ». Araho eto ary ny fomba fikarakarana azy ireny mba hatsiro tsara.

Ireo zavatra ilaina raha hanao « beignets de crevettes »

-« Crevettes » lehibe 250g ;
-« Moutarde » 1 sotro fihinanana ;
-Voasary makirana 2 ;
-Tongolo gasy voatoto 2 sotrokely ;
-« Levure » 1 fonosana ;
-Menaka 1 sotro fihinanana ;
-Lafarina 200g ;
-Atody 1 ;
-Kotomila notetehana madinika 1 sotro fihinanana ;
-Rano matimaty tapaky ny vera ;
-Menaka hanendasana ;
-Sira.

Ireo dingana amin’ny fikarakarana azy

Afangaro anaty lovia jobo lehibe ny lafarina, ny sira sy ny levure. Arotsaka ao ny menaka 1 sotro fihinanana, ny atody sy ny rano matimaty. Afangaro tsara dia avela hilona.
Voasana ny « crevettes ». Afaka esorina ny lohany fa afaka avela ihany koa, araka izay itiavana azy. Sasana tsara ary avela hitsiaka anaty « passoire ».
Afangaro anaty « saladier » ny « moutarde », ny ranon’ireo voasary makirana, ny tongolo gasy voatoto sy ny kotomila. Asiana sira ary aroharoahana tsara hifangaro.
Arotsaka ao anatin’io fangaro io ny « crevettes » ary aroharohana mba hahazo tsara ny « marinade ». Rakofana « papier film » ary avela hipetraka anaty vata fampangatsiahana mandritra ny adiny 1 ora.
Avoaka ny « crevettes » nalona teo ary arotsaka ao anatin’ilay paty namboary voalohany teo miaraka amin’ilay « marinade ». Aroharoana hifangaro tsara.
Hafanaina anaty lapoaly jobo na vilany saba ny menaka. Rehefa mamay tsara dia endasina tsirairay ny « beignets de crevettes ». Aroso mafana. Azo ampiarahana tsara amin'ny salady misy saosy vinaigrety.

Lire la suite

Articles Similaires