Fahasalamana : ireo tsara fantatra mikasika ny « troubles bipolaires »
Isan’ireo fikorontanana ara-tsaina mahavoa olona maro maneran-tany ny « troubles bipolaires ». Miteraka fahasahiranana amin’ny lafiny maro amin’ny fiainana andavanandro ity fikorontanana ara-tsaina ity. Azo atao tsara nefa ny miara-miaina aminy rehefa mahazo ny fitsaboana sy fandraisan-tanana sahaza izany. Andeha ary ho resahana eto ireo tsara fantatra mikasika ny « troubles bipolaires ».
Inona no atao hoe « troubles bipolaires » ?
Ny « troubles bipolaires » dia fikorontanana ara-tsaina miseho amin’ny alalan’ny fiovana lehibe misy eo amin’ny toe-po. Izany hoe miova be tampoka ny toe-pon’ilay olona ka mety ho falifaly be izy dia tampotampoka eo lasa malahelo be na maloka be ho azy. Mizara dingana roa lehibe ireo toe-po eo amin’ny olona « bipolaire » ireo, dia ny dingana « manie » sy « dépression » izany.
Mandritra ilay dingana « manie » dia mahatsiaro tena faly sy miramirana be ary matanjaka sy mavitrika ilay olona « bipolaire ». Mety ihany koa ho lasa somary taitaitra (impulsif) sy tsy dia afaka mifantoka tsara izy mandritra izany. Mety hisy fiantraikany ratsy eo amin’ny lafiny maro amin’ny fiainany izany, toy ny lafiny ara-tsosialy, ara-kasa na eo amin’ny fifandraisana amin’ny hafa.
Rehefa ao anatin’ilay dingana « dépression » ilay olona « bipolaire » dia mety hahatsiaro tena malahelo mafy, kivy sy ketraka ka lasa tsy manana hery hanatanteraka ny asa aman’andraikiny amin’ny andavanandro. Raha tafiditra lalina anatin’ny fahaketrahana izy amin’io fotoana io dia mety lasa mamoy fo sy lasa te hamono tena mihintsy.
Ireo fomba fisehon’ny « troubles bipolaires »
Tsy voatery mitovy ny fisehon’ny « troubles bipolaires » eo amin’ny olona tratr’izany. Misy ihany nefa ireo fambara fahita matetika toy ireto manaraka ireto.
Rehefa anatin’ny dingana « manie » dia lasa :
-Mahatsiaro tena falifaly be na kizitina ;
-Mihena ny fahatsapana mila torimaso ;
-Be resaka be mihoatra ny mahazatra ;
-Fahatokisan-tena diso tafahoatra ;
-Mora variana ;
-Manao fitondran-tena mampidi-doza toy ny fanaovana fandaniana tafahoatra, fitondrana fiara mamoa-doza… ;
Mandritra ny dingana « dépression » dia :
-Mahatsiaro malahelo lalina sy maharitra ;
-Tsy mahita maminy amin’ny zavatra tiana taloha intsony ;
-Vizaka be ;
-Te hamono tena.
Ireo antony mety mahatonga ny « troubles bipolaires »
Mbola tsy voafaritra mazava ankehitriny ireo antony mety mahatonga ny « troubles bipolaires ». Misy ihany nefa ireo lafin-javatra mety mahatonga ny fivoaran’ity fikorontanana ara-tsaina ity ka anisan’izany ny « génétique ». Izany hoe raha nisy olona voa tao amin’ny fianakaviana akaiky, toy ny ray aman-dreny na ray aman-drenibe dia mety hisy ho tratra ny taranaka. Mety mandrisika azy io ihany koa ny fiovana ara-tsimika ao amin’ny atidoha na koa ny olana mafy nianjady teo amin’ny fiainana.
Ny fitsaboana ny « troubles bipolaires »
Tsy mbola misy hatreto ny fitsaboana ahafahana manasitrana ny « troubles bipolaires ». Azo atao kosa ny mifehy ireo soritr’aretina amin’ny alalan’ny fitsaboana mifanaraka amin’izany. Anisan’ireo fitsaboana sy fandraisan-tanana misy ny :
-Fanafody toy ny « stabilisateurs de l’humeur », « antidépresseurs », « antipsychotiques »… izay omen’ny mpitsabo miankina amin’ny filan’ny marary ;
-« Thérapie psychologique » izay manampy amin’ny fahazoana ny toe-pon’ilay olona « bipolaires » sy amin’ny « gestion » ny toe-po ;
-Fanohanana avy amin’ny olona akaiky toy ny ankohonana, ny namana… mba hanomezana azy tontolo milamina sy mampilamina ny sainy.