Melon d'eau : Mamelombelon'aina amin'izao andro mafana izao !
Mitovitovy amin'ny Pastèque ihany ny "Melon d'eau". Somary mavo nefa ny ivelany, ary manopy volomboasary ny ao anatiny. Raha jerena tampoka dia mitovy amin'ny voatavo io voankazo io.
Fanararaotana fihinanana "Melon d'eau" ny fahavaratra toy izao. Koa satria mafana be ny andro, tena ilaina io voankazo io noho izy manankarena rano. 92%-n'io voankazo io mantsy dia rano avokoa. Mitovy amin'ny rano iray vera ny silaka melon d'eau iray. Raha adino ny nisotro rano nefa nandeha elaela teny amin'ny masoandro dia azo atao tsara ny mihinana melon d'eau raha vao tonga ao an-trano.
Manala ny singa ratsy ao amin'ny vatana
Tsy vitan'ny mitondra rano ho an'ny vatana ihany ny melon d'eau. "Antioxydant" tena mahomby ihany koa izy io noho ny fananany "lycopène". Miaro ny mpihinana amin'ny homamiadana isankarazany izany io voankazo io.
Mahasoa ny fo
Misy "bêtacarotène", vitamine C, potassium sy fibres isankarazany ny melon d'eau. Noho izany indrindra dia mahatsara ny fahasalaman'ny fo ny fihinanana azy. Mizotra tsara ny fikorinan'ny rà, sady antonony ny tahan'ny cholestérol anaty rà.
Mahasoa ny saina
Misy vitamine B6 ny melon d'eau. Noho izany dia mandamin-tsaina izy satria miasa any amin'ny atidoha io singa io. Mampitony ny fitaintainana lalina sy ny rarintsaina izany io voankazo io, indrindra ho an'ny olona mora malahelo na taitaitra.
Mampitombo ny Libido
Manaitaitra ny filàna ara-nofo ny "citrulline" ao amin'ny melon d'eau, izay mamokatra ny "arginine". Azo lazaina fa "viagra" voajanahary izy io.
Azo anaovana ranomboankazo tsara ny melon d'eau, ary tena matsiro am-bava na tsy asiana siramamy aza. Raha tiana hanina miaraka amin'ny voankazo hafa izy dia tetehina efajoro.