• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Health
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fofom-bava ratsy eo amin’ny ankizy : ireo mety ho antony

29/11/2024 16:11 © Moov.Mg

Toe-javatra matetika miseho ny fofom-bava ratsy eo amin’ny ankizy. Manelingelina ary mety mahamenatra azy moa izany, indrindra eo anatrehan’ny namana, mpiara-mianatra, mpianakavy… Fa inona tokoa moa ny antony mety mahatonga ny fofom-bava ratsy eo amin’ny ankizy ?

Inona no atao tokoa moa ny fofom-bava ratsy na « mauvaise haleine » ?

Ny fofom-bava ratsy na hoe maimbo vava hoy isika dia toe-javatra fahita rehefa mamoaka fofona ratsy avy ao am-bava ny olona iray. Mety hisy izany avokoa na ny ankizy na ny lehibe. Marihana fa misy bakteria maro ao anatin’ny vava ary matetika dia avy amin’izy ireny no mahatonga ny fofom-bava ratsy. Ireo bakteria ireo dia mamoaka singa ratsy fofona rehefa mamotika ny sakafo. Misy fotoana ihany koa nefa avy any anatin’ny taova fandevonan-kanina any no mampisy io fofona ratsy io. Mila fantarina mazava arak’izany ny antony mahatonga ny fofom-bava ratsy eo amin’ny ankizy mba ahafahana manaisotra izany.

Ireo antony matetika mampisy fofom-bava ratsy ny ankizy

Maro ireo antony mety mahatonga ny fofom-bava ratsy eo amin’ny ankizy ka anisan’izany ny :

Sakafo sy ny fahazarana ara-tsakafo

Raha tsy mifanaraka amin’ny filan’ny vatan’ny ankizy sy ny fahafahan’ny taova fandevonan-kaniny ny zavatra hoaniny dia mety miteraka fikorontanana ao amin’ny tsinainy izany. Raha izany no mitranga dia mety ho hamoaka fofom-bava ratsy foany izy. Misy ihany koa ireo sakafo maha maimbo vava mandalo, toy ny tongolo sy ny tongolo gasy. Ankoatra izay dia eo ihany koa ireo zava-pisotro mamy be, toy ny soda, ranom-boankazo… izay tena ankafizin’ny bakteria ao anaty vava ka miteraka ny fofom-bava ratsy. Mila tandremana izany ny zavatra hoanin’ny ankizy mba hisorohana ny fofom-bava ratsy.

Tsy fahampian’ny fadiovan’ny ati-vava

Mitana anjara lehibe eo amin’ny fofom-bavan’ny ankizy ny fikolokoloana ny fahadiovan’ny ati-vava. Raha tsy borosiana tsara sy matetika ny nify dia mitombo ireo bakteria ao anaty vava izay mahatonga fofona ratsy. Ireo bakteria ireo tsinona dia mivelona amin’ireo ambin-tsakafo ao anaty vava ary mamoaka singa « sulfurés volatils » matetika ratsy fofona. Mila arahana maso tsara noho izany ny fahadiovan’ny ativavan’ny ankizy raha toa ka maimbo vava matetika izy.

Ny nify simba

Raha misy simba ny nifin’ny ankizy dia mety mahatonga azy ho maimbo vava izany. Ny nify loaka tokoa mantsy dia mitahiry bakteria mahatonga fahalovana ao anatin’ny nify. Izany dia mahatonga fofona ratsy miparitaka ao am-bava sy mivoaka ety ivelany. Ilaina arak’izany ny mitondra matetika ny ankizy any amin’ny mpitsabo nify mba hahitana sy hitsaboana mialoha ny nify simba.

Lire la suite

Articles Similaires