Kaikitry ny parasy : ireo fambara sy fomba atao hampitony izany
Kaikitra bibikely mampangidihidy sy mety mampisy « allergies » ny kaikitry ny parasy. Ankoatra izay moa dia mety mitondra aretina, toy ny pesta, izany. Maro amintsika no tsy mahay manavaka ny kaikitry ny parasy sy ny kaikitry ny moka. Andeha ary ho resahana eto ireo tsara fantatra mikasika izany.
Ireo fambara ahafantarana ny kaikitry ny parasy
Ny parasy dia bibikely katsentsitra mivelona amin’ny rà. Rehefa manaikitra izy ireo dia mampiditra rora misy « anticoagulant » eo amin’ny faritra kakeriny. Izany dia mampisy « réaction » eo amin’ny hoditra toy ny :
-Hidihidy ;
-Mivaramena sy mibontsina kely izay misy teboka kely (dian’ilay kaikitra) eo afovoany ;
-Mandrotsirotsy kely milahatra na mivangongo, matetika manodidina ny ranjo, ny kitrokely na ny valahana ;
-« Inflammation » eo amin’ilay faritra voakaikitra, ary indraindray misy bontsindrano raha toa ka mafy ilay « réaction » ny hoditra ;
-« Infection secondaire » toy ny ratra raha toa ka nohaotraorina mafy ilay faritra mangidihidy ka lasa nisy bakteria tafiditra.
Ahoana no atao hampitoniana ny kaikitry ny parasy ?
Matetika moa dia mitony ho azy ny kaikitry ny parasy afaka minitra vitsivitsy. Mba hampitoniana malaky kokoa ny hidihidy sy ireo fambara hafa manelingelina dia tsara raha :
-Diovina amin’ny rano sy savony ny faritra voakaikitry ny parasy mba hampiala ny rora na loto mety hampihitatra ilay « irritation » ;
-Petapetahana « compresse » nolemana rano mangatsiaka na « glaçon » nofonosina anaty lamba eo amin’ilay faritra voakikitra mba hampihena ilay mibontsina sy hampitony ny hidihidy ;
-Petahana karibonetra nafangaro rano kely eo amin’ilay kaikitra mba hanalana ilay mangidihidy raha toa ka tsy hampiasa « compresse » na « glaçon ».
-Tsy tokony haotraorina be ny faritra voakaikitry ny parasy mba tsy hampihitatra ilay « irritation » sy hahatonga « infection ».
Oviana no tokony hanantona mpitsabo ?
Amin’ny ankapobeny dia tsy misy atahorana ny kaikitry ny parasy. Ny parasy entin’ny voalavo voan’ny pesta no tena atahorana. Raha toa kosa nefa ka mahatsikaritra fambara hafa toy ny hoe lasa mivaramena be, misy nana na mangirifiry ilay faritra nokakerin’ny parasy dia tsara raha manantona mpitsabo mba ahazoana fanafody sahaza izany. Toy izay ihany koa raha manao « allergie » ka lasa mivonto ny tarehy na ny molotra, sempotsempotra…