Ireo vokatsoa azo avy amin’ny ravina solila na « feuilles de menthe »
Ravina iray fampiasa ho fanaingoana sakafo sy fanomezana tsiro ny zava-pisotro sasantsasany ny solina na ny « menthe ». Anisan’ireo zavamaniry fampiasa amin’ny raokandro ihany koa izy io no izy mitondra vokatsoa maro ho an’ny vatana sy ny fahasalamana. Andeha àry ho resahana misimisy eto ny zavatsoa azo avy amin’ny ravina solila.
Manatsara ny fandevonan-kanina
Manana fiasa amin’ny fanatsarana ny fandevonan-kanina ny ravina solila. Noho izany, ny fihinanana azy dia manampy amin’ny fampitoniana ny kibo manotika na be rivotra. Ankoatra izay dia mandrisika ny famokarana ny afero ity zavamaniry ity ka manamora ny fandevonana ny sakafo matavy.
Mampitony ny aretin’andoha
Ny fanosorana « huile essentielle de menthe poivrée » eo amin’ny fihirifana dia manampy amin’ny fampitoniana ny hamafin’iny aretin’andoha. Manana fiasa « relaxant » sy « rafraîchissant » tokoa mantsy ny solila ka izay no mahatonga azy mandaitra amin’ny fampitoniana ny aretin’andoha.
Manampy amin’ny fampitoniana ny maloiloy
Manampy betsaka amin’ny fampitoniana ny maloiloy ihany koa ny fihinanana ravina solila, indrindra ny maloiloy vokatry ny vohoka, ny aretin’andoha na ny tsy fahazakana lalana. Afaka tenehina kely atao dite ilay ravina solila na asiana huile essentielle mitete kely anatin’ny rano sotroina mba hanalana io fahatsapana maloiloy io. Tsy tsara mampiasa huile essentielle kosa nefa ny bevohoka sy ny mpampinono.
Manana fiasa « antioxydante »
Isan’ireo zavamaniry manankarena « antioxydant » ny solila. Izany dia mahatonga azy mandaitra amin’ny fiadiana amin’ny « radicaux libres » izay mitarika ny fahanterana alohana loatra ny sela anatin’ny vatana. Ankoatra izay dia miaro ny vatana amin’ny « risques » mety hahatonga aretina mitaiza sasantsasany ny fihinanana matetika azy io.
Fanamarihana
Toy ny zavatra rehetra dia mety misy fiantraikany ratsy ny fihinanana betsaka loatra ny solila. Izany dia mety hahatonga aretin’andoha na koa mety hampivalana. Tsy tsara mihinana ravina solila ihany koa ny olona manao « troubles hépatiques » sy ireo manana tosidrà avo. Raha mampiasa huile essentielle ahosotra amin’ny vatana dia fadiana ny manositra izay akaikin’ireo taovam-pisefoana satria mety hampanao « spasmes ».