Fanaovana « pâte à pizza » malefaka sy matsiro
Matsiro ary mahafapo kokoa ny mikarakara pizza ao an-trano. Ankoatra izay dia afaka misafidy malalaka ny fangaro atao eo amboniny miankina ny zavatra tiana sy vola eo am-pelatanana. Mbola maro nefa ny tsy mahay manao « pâte à pizza » ao an-trano. Atoro eto ary ny fomba fanaovana azy mba ho malefaka sy matsiro tsara.
Ireo zavatra ilaina raha hanao « pâte à pizza »
-Lafarina 250g ;
-Levure boulanger 12g ;
-Dibera malemy 75g ;
-Ronono 125g ;
-Atody 1 ;
-Sira ½ ny sotrokely.
Ireo dingana amin’ny fikarakarana azy
Afangaro anaty kaopy ny ronono matimaty kely sy ny levure boulanger.
Atao anaty batteur ny lafarina, sira sy ilay levure nafangaro ronono matimaty teo.
Arotsaka manarak’izany ny atody sy ny ambin’ny ronono.
Kapohana miaraka mandritra ny 2 minitra eo ho eo.
Raha hita fa maimaina tsy mbola mitambatra tsara ny paty dia tapohana ronono matimaty kely. Raha tsy misy ronono intsony dia afaka soloina rano matimaty.
Rehefa miainga tsy miraikitra amin’ny sisin’ilay batteur vao tsy tapohana intsony.
Tohizana kapohana mandritra ny 5 minitra na mihoatra.
Arotsaka indray ny dibera malemy, izany hoe efa navoaka mialoha ny vata fampangatsiahana mba tsy hivaingana be intsony nefa tsy mitsonika ihany koa. Tohizana kapohana 5 minitra.
Rehefa vita dia esorina tao anaty batteur, polesina ho lasa boule lehibe iray ary apetraka anaty saladier.
Saromana lamba ary avela hibontsina mandritra ny 30 minitra. Rehefa vita izay dia afaka ampiasaina avy hatrany ity « pâte à pizza » ity.