• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Topsante
Image
Fahasalamana&Sakafo

« Effet yo-yo » rehefa avy manao « régime » : ‘ndeha ho resahina !

25/11/2024 14:54 © Moov.Mg

Tranga matetika miseho rehefa manao « régime » mampihena vatana ny hoe mihena be anatin’ny fotoana fohy avy eo vao maika mihangeza rehefa nijanona. Io fiovaovan’ny lanja rehefa mampihena vatana io no atao hoe « effet yo-yo ». Fa inona tokoa moa ny mahatonga ny « effet yo-yo »? Inona no mety fiantraikan’izany ? Ahoana ny fisorohana azo atao ?

Ny antony mahatonga ny « effet yo-yo »

Rehefa manao « régime restrictifs » ho fampihenana vatana matetika no miseho ny « effet yo-yo ». Izany hoe ireo karazana « régimes » mahavery lanja haingana be, toy ny hoe mifady sakafo, mihinana sakafo manala tavy malaky… Marina fa mandaitra ireo karazana « régimes » ireo, nefa kosa tsy maharitra ny fiasan’izany satria :
-Rehefa mihena ny sakafo hoanina dia mihena ihany koa kaloria esoriny mandritra ny fotoana fakana aina.
-Mihena ny « masse musculaire » na ny hozatra rehefa ferana ny sakafo hoanina, indrindra ireo sakafo mitondra proteina. Marihana nefa fa kaloria no esorin’ny hozatra kokoa noho ny tavy (graisse).
-Miverina amin’ny fahazarana fisakafoanana teo alohan’ny nanaovana ny « régime ». Izany hoe lasa miverina mihinana zavatra mampatavy.
-Noho ireo antony ireo dia miverina malaky ireo tavy nesorina nandritra ny « régime » ary matetika lasa vao maika mihangeza noho ny teo aloha ilay olona nampihena vatana.

Ny mety ho fiantraikan’ny « effet yo-yo » eo amin’ny fahasalamana

Mety misy fiantraikany maro eo amin’ny fahasalaman’ny vatana sy ny saina ny « effet yo-yo ». Anisan’izany ny :
-Fitomboana lanja be loatra izay mety miteraka aretina toy ny aretin’ny fo sy ny lalandrà, ny diabeta… ;
-Fikorontanan’ny hormonina vokatry ny hanohanana nateraky ny « régime restrictif ». Mety hampitombo ny fahazotoana homana izany ka vao maika manasarotra ny fihenana ;
-Fikorontanana eo amin’ny fahazarana ara-tsakafo, toy ny hoe lasa tia misakafo be loatra na lasa tsy tia misakafo intsony… Eo ihany koa ny fikorontanana ara-tsaina vokatr’izany, toy ny « anorexie », « boulimie »…

Ireo torohevitra manampy hisorohana ny « effet yo-yo »

Mba hisorohana ny « effet yo-yo » rehefa manao « régime » fampihenana vatana dia tsara raha :
-« Régime » ara-pahasalamana sy manampy tsikelikely amin’ny fampihenana vatana no atao. Izany hoe tsy mitady ny hampihena vatana be ao anatin’ny fotoana fohy fa avela hihena tsikelikely ny vatana.
-Mampihetsiketsika vatana tsara mba hanesorana ireo kaloria sy hitazomana ny « masse musculaire ».
-Ahena ny fatran’ny sakafo hoanina fa tsy mety ny hoe tonga dia tsy mihinana mihintsy. Rehefa tena noana dia mihinana zavatra kely tsy be kaloria.

Lire la suite

Articles Similaires