• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Marie Claire
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fomba fanaovana « île flottante exotique »

21/11/2024 16:25 © Moov.Mg

Amin’izao andro mafana izao dia ny sakafo maivamaivana sy be otrikaina no tena tsara hoanina. Vokatra eny an-tsena izao ny manga ary maro ireo karazana tsindrin-tsakafo afaka karakaraina amin’izy ireny. Ny entina eto indray àry dia ny « île flottante exotique ». Matsiro sy mora karakaraina izy ity ka araho ary ny fanaovana azy !

Ireo zavatra ilaina raha hanao « île flottante exotique »

-Ronono 450 ml ;
-Atody 4 ;
-Siramamy 50 g ;
-Fécule de maïs 1 sotrokely ;
-Manga 4 lehibe ;
-Ranona voasary makirana ½ sotrokely ;
-Siramamy 1 sotrokely ;
-Rano 1 sotro fihinanana ;
-Garana masaka tsara 1.

Ireo dingana amin’ny fikarakarana azy

Sasana tsara ary voasana ny manga. Esorina ny nofony ary atao anaty mixeur. Arotsaka ao ny ranona voasary makirana, ny siramamy sy ny rano ary potserina miaraka mandrapahazoana fangaro malama tsara.
Sarahana ny tapotsin’atody sy ny tamenany. Atao anaty saladier ny tamenak’atody ary kapohana miaraka amin’ny siramamy 25g sy ny fécule de maïs.
Ampangotrahana anaty vilany ny ronono. Arotsaka ao anatin’ilay tamenak’atody ny 2/3 ny ronono sady tohizana kapohana amin’ny fouet ihany ilay tamenak’atody. Avy eo arotsaka ao anatin’ilay vilany misy ambina ronono io fangaro io.
Aroharoana amin’ny fouet eo ambony afo malefaka. Rehefa manomboka mihamarihitra dia afindra anaty saladier ary endrasana hangatsitsiaka. Avy eo arotsaka ao ilay manga nokarakaraina teo ary afangaro tsara. Rehefa mifangaro tsara dia saromana ilay saladier ary atao eo amin’ny toerana mangatsitsiaka.
Kapohana ny tapotsin’atody. Rehefa manomboka mandroatra dia arotsaka ao ny siramamy 25g ary tohizana kapohana mandrapahatonga azy mibontsina tsara sy tsy mety miraraka.
Loharana amin’ny sotro fihinanana tsikelikely ilay tapotsin’atody io ary alahatra eo ambony plaque de cuisson. Andrahoina anaty lafaoro mandrita ny 10 minitra amin’ny hafanana 120°C. Rehefa masaka dia rarahana coco râpée.
Zaraina anaty coupes à dessert ny « crème mangue » nokarakaraina teo ary apetraka eo ambonininy ny tapotsin’atody masaka tsirairay. Rehefa izay dia rarahana garana kely eo amin’ny tampony ary aroso avy hatrany.

Lire la suite

Articles Similaires