Tsara ho fantatra : Ireo sakafo tsy tokony afangaro
Marobe no misedra fahasahiranana amin'ny fandevonan-kanina noho ny olan'ny vavony sy ny tsinay. Izany indrindra no ilàna fitandremana ny amin'ny sakafo hanina. Misy àry ireo sakafo na zava-pisotro tsy tokony ampiarahana.
Concombre sy voatabia
99%-n'ny olona mikarakara concombre atao lasary dia mampiasa voatabia avokoa. Toa tsy afa-misaraka izany concombre sy ny voatabia. Tsara nefa ny mahalala fa mety hahasarotra ny fandevonan-kanina ny fihinanana ireo legioma ireo miaraka.
Ny cocombre, manankarena rano, dia mora levonina kely. Ny voatabia kosa nefa dia elaela kokoa ny fandevonana azy. Mandreraka ny vavony ny fandevonana azy ireo miaraka, ka mety ho mora harary ny vavony na hahatsapa fanaintainana toy ny hidiran'ny rivotra. Tsy ny cocombre izany no "mavesatra" fa izy ampiarahana amin'ny voatabia.
Rehefa te hihinana cocombre dia aleo tongolo sy poivrao no akora fototra atambatra aminy. Azo atao ny manampy hena sy zava-maitso manimanitra. "Rougail" kosa no karakaraina raha tiana atao lasary ny voatabia.
Ovy sy hena
Tena fahazarana tokoa ny manao laoka ovy sy hen'omby, na manafatra "steak" sy "pomme frite" rehefa any amin'ny trano fisakafoanana. Araka ny valim-pikarohana maro nefa, tsy tsara ampiarahana ny ovy (féculent) sy ny hena (protéine). Tsy mitovy ny fomba fandevonana ny "amidon" ao amin'ny "féculent" sy ny protéine. Ny "amidon" ao amin'ny ovy no mety hamparary ny vavony sady hanelingelina mihitsy ny fiasan'ireo taova fandevonan-kanina hafa. Raha ny tena tsara dia "haricot vert" na anana no hanina amin'ny hena.
Mofo sy fromazy
Iza no tsy te hihinana mofo sy fromazy isa-maraina ? Sakafo mafilotra tokoa izany. Mety hamparary ny tsinay sy ny vavony nefa. Ny mofo dia misy "amidon", ary ny fromazy kosa misy "protéine". Araka ny efa voalaza etsy ambony, tsy mitovy ny fomba fandevonana ireo akora roa ireo. Mety kokoa raha "confiture" no atao anaty mofo isa-maraina. Ny fromazy kosa azo hanina amin'izao, rehefa tsy mihinana mofo, na rehefa efa tokony levona ny mofo nohanina.
Kafe sy ronono
"Café au lait" : zava-pisotro mafana tena be mpankafy izany. Raha ampiarahana nefa ny kafe sy ny ronono dia ela kokoa vao levona. Ny singa ao anatin'ny kafe mantsy dia mampivaingana ny protéine ao anatin'ny ronono. Raha efa marary vavony na mora maray kibo, tsy tokony asiana ronono ny kafe, na "lait végétal" no ampiasaina.
Labiera sy voanjo sira
Tsy mifidy "tsaky" matetika rehefa misotrosotro iny. Tsarovy àry manomboka izao fa tsy tokony mihinana voanjo sira rehefa misotro labiera na divay na zava-pisotro misy alikaola. Masira loatra ilay tsakitsaky ka mandritra ny rano amin'ny vatana. Ny alikaola koa nefa dia efa misintona ny rano amin'ny vatana. Mety ho fanina tampoka ilay mpisotro raha masira loatra ny "tsaky" haniny. Mahatonga fitohanana rahateo izany.