Divay : Ireo sakafo tsara ampiarahana aminy
Anisan'ny zava-pisotro manintona ny maro ny Divay. Matetika dia mandritra ny lanonana mihaja no tena isotroana azy io. Azo atao tsara nefa ny misotro azy io, indrindra rehefa misy fetifety kely ao an-trano.
Divay mena (Vin rouge)
Divay mena no tena mahazatra. Manamora ny fandevonankanina izy, sady mampihena ny matavy tsy mahasoa ao anatin'ny vatana. Mahasoa ny fo ihany koa io karazana divay io. Ny tena tsara hanadramana azy dia miaraka amin'ny hena (indrindra ny hena atono), ny fromazy somary modaka (toy ny camembert) ary ny karazana "charcuteries".
Azo atao tsara ihany koa ny misotro divay mena rehefa mihinana ny "gratins" sy ny "pizza". Azo ampiasaina ao an-dakozia ihany koa io divay io, mba hanomezana tsiro miavaka ny sakafo karakaraina. Anisan'ireo "plats" malaza atolotr'ireo trano fisakafoanana lehibe ohatra ny "Boeuf bourguignon", "poulet sauce au vin rouge", "filet mignon aux raisins".
Divay fotsy (Vin blanc)
Mahasoa ny fahasalamana ihany koa ny divay fotsy, raha hay ny mametra ny fatra sotroina. Manatara ny fahanterana sady mahatsara ny fiasan'ny atidoha ihany koa izy. Raha te hanandrana divay fotsy àry, tsara kokoa raha iray amin'ireto sakafo ireto no hanina : Huîtres, trondro atono na saosy, hena fotsy (henakisoa na henan'akoho), karazana fromazy maina tsara, voankazo, foie gras, sakafo mantamanta somary marikivy.
Tena hahenoana tsara ny tsiron'ny divay fotsy ihany koa ny karazana mofomamy, indrindra raha misy sokolà izany. Raha mikasa hihinana sakafo asiatika somary masiaka, tsara kokoa raha asiana divay fotsy eo ambony latabatra.
Divay mavokely (Vin rosé)
Raha manomana "mignardises salés" (mini-quiches, bouchées à la reine, feuilletés fromage, sns) isan-karazany amina fankalazana tsingerintaona nahaterahana ohatra, tena tsara ihany koa raha tolorana divay mavokely ireo nasaina. Azo andramana miaraka amin'ny karazana "charcuteries" sy ny "pizza". Tsy adino ny hazan-dranomasina, indrindra ny Crevettes, ny Thon sy ny Saumon. Azo andramana tsara miaraka amin'ny "salades" somary marikivy sy legioma mantamanta ihany koa ny divay mavokely.
Raha eny amin'ireo toeram-pivarotana lehibe (grandes surfaces), manomboka amin'ny 20 000 ariary no mahazo divay iray tavoahangy. Arakaraka ny karazany moa ny vidiny. Tsara ny mampahatsiahy fa lafo kokoa ireo "vieux vins" satria arakaraka ny nampahela ny nitehirizana azy no mahatsara ny tsirony. Azo tehirizina tsara araka izany ny divay, amina toerana mangatsiatsiaka tsy azon'ny hazavana fa tsy ao anaty vata fampangahatsiahana akory.