Fiarovana amin’ny AVC : ilaina ny manana fomba fiaina ara-pahasalamana
Marihana anio 29 oktobra ny andro maneran-tany ho an’ny AVC na ny fahatapahan’ny lalan-drà ao amin’ny loha. Mbola maro tokoa ny olona matin’ity aretina ity isan-taona, na ny eto amintsika na ny any ivelany. Ny fahataran’ny fandraisan-tanana matetika no mitarika ny fahasarotana eo amin’ny AVC. Ankoatra ny fahafantarana ireo fambara dia ilaina ny misoroka ity aretina ity amin’ny alalan’ny fananana fomba fiaina ara-pahasalamana.
Inona ny atao hoe AVC ?
Ny AVC na « accident vasculaire cérébral » dia ny fahatapahana na ny fahatsentsenan’ny lalan-drà ao amin’ny loha izay manakana ny fahatongavan’ny rà ao amin’ny faritra iray amin’ny atidoha. Mety miteraka tsy fahatomombanana ao amin’ny atidoha izany ary mety mitarika amin’ny fahafatesana.
Maro ireo anton-javatra mety mampitombo ny « risques » hahavoa ny AVC, ka anisan’izany ny :
-Tosidrà avo ;
-Fifohana sigara ;
-Diabeta ;
-« Cholestérol » avo ;
-Hatavezana tafahoatra ;
-Tsy fahampiana fanatanjahantena na fanetsiketsehana ny vatana.
Ireo fomba manampy hisorohana ny AVC
Mba hisorohana ny « risques » hahavoa ny AVC dia ilaina ny manaraka fomba fiaina ara-pahasalamana. Anisan’ny tokony atao amin’izany ny :
-Manara-maso ny tosidrà, indrindra raha taranak’olona misy tosidrà, efa nahazo taona… ;
-Miala sigara ;
-Mihinana sakafo ara-pahasalamana ;
-Manao fanatanjahantena matetika na mandeha tongotra 30 minitra isan’andro ;
-Manena vatana raha mihoatra ny tokony ho izy ny lanja ;
-Ferana ny fisotroana toaka na ajanona mihintsy raha azo atao ;
-Mizaha fahasalamana matetika mba ahafahana mitsabo mialoha ireo olana ara-pahasalamana mety mitarika amin’ny fahatapahana na fahatsentsenan’ny lalan-drà ao amin’ny loha.
Ireo fambara manambana ny mety hahatratra ny AVC
Misy ireo fambara manambana izay mety mitranga alohan’ny fahatapahana na fahatsentsenan’ny lalan-drà ao amin’ny loha. Anisan’izany ny :
-Fahatsapana toy ny malemy tampoka ny tarehy, ny sandry na ny tongotra ;
-Sahirana miteny na sahirana mahazo resaka ;
-Tsy mahita tampoka ny maso ;
-Fanina ;
-Marary be tampoka ny loha.
Raha mitranga ny iray na ny maro amin’ireo fambara manambana ny AVC ireo dia mandeha manantona mpitsabo na tobim-pahasalamana malaky mba hahazo ny fandraisan-tanana sahaza.