• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Passeportsanté
Image
Fahasalamana&Sakafo

Soflera : mitondra vokatsoa maro ho an’ny vatana sy ny fahasalamana

28/10/2024 16:19 © Moov.Mg

Vokatra betsaka eto amintsika ny soflera. Isan’ireo karazana legioma somary lafo vidy izy ireny eny an-tsena eny ka tsy mahavantana ny maro ny mividy azy. Tsara hoanina matetika nefa ny soflera satria mitondra vokatsoa maro eo amin’ny vatana sy fahasalamana izy ireny.

Ireo antony tsara hinanana matetika ny soflera

Tsy mahavantana antsika ny mihinana soflera noho izy heverina fa ratsy tsiro na koa lafo vidy. Marihana nefa fa maro ireo antony tsara hinana azy io matetika ka anisan’izany noho izy :

Manankarena vitamina sy mineraly

Ny soflera dia mitahiry vitamina C amin’ny tahany ambony. Ity farany dia « antioxydant » matanjaka izay manamafy ny hery fiarovan’ny vatana. Ankoatra izay dia ahitana vitamina B ihany koa ity legioma ity. Ny vitamina B dia ilaina amin’ny fiasan’ny atidoha sy ny « système nerveux ». Etsy andaniny dia ahitana mineraly toy ny « potassium » ihany koa ny soflera. Ny « potassium » dia manampy betsaka amin’ny fandrindrana ny tosidrà.

Mitahiry fibra

Isan’ireo legioma mitahiry fibra betsaka tokoa ny soflera. Ny fihinanana ity legioma ity matetika noho izany dia manatsara ny fandevonan-kanina sy ny fiasan’ny tsinay ka miaro amin’ny fitohanana. Manome fahatsapana voky ihany koa ny soflera ka manampy amin’ny fitazomana ny lanja.

Manampy amin’ny fampihenana vatana

Legioma tsy mampatavy ary mitahiry rano betsaka ny soflera. Azo ampidirina anatin’ny sakafo natokana ho an’ireo maniry hanena vatana izy ity na ho an’ireo te hitazona ny habeny. Azo hanoloana ny « féculents » anatin’ny nahandro samihafa izy io mba hampihenana ny « calories ».

Manadio ny aty

Ny soflera dia legioma manankarena « soufre ». Ny « soufre » dia miasa amin’ny fanadiovana ny ao anaty. Izany hoe manadio ny ao anatin’ny aty izy io sady manala ireo poizina (toxines) ao anatin’ny vatana. Ankoatra izay dia manana fiasa « anti-inflammatoire » ny soflera ka afaka manampy amin’ny fampitoniana ny soritr’aretina sasany amin’ireo areti-mitaiza, toy ny « arthrite ».

Ireo fomba afaka hikarakarana ny soflera

Legioma azo ampiasaina amin’ny karazana nahandro maro samihafa ny soflera. Ireto manaraka ireo ny fomba afaka hikarakarana azy :
-Andrahoina amin’ny entona mba hitazomana ireo otrikaina ao anatiny ;
-Atao « rôti » anaty lafaoro miaraka amin’ny menaka oliva sy episy ;
-Atao « gratin » ;
-Atao « salade » miaraka amin’ny vinegrety, « mayonnaise », « œuf dur »… ;
-Andrahoina miaraka amin’ny hena, saosisy…

Lire la suite

Articles Similaires