Lefakozatra na « poliomyélite » : ireo tsara fantatra mikasik’izany
Marihina isaky ny faha 24 ny volana oktobra ny andro manera-tany natokana ho an’ny ady amin’ny lefakozatra na ny « poliomyélite ». Areti-mandoza mety miteraka fahalemen’ny hozatra ary mety mahafaty ny lefakozatra. Fa inona tokoa moa ny lefakozatra ? Ahoana ny fisehony ? Inona no fomba atao hiadiana amin’izany aretina izany ?
Inona no atao hoe lefakozatra na « poliomyélite » ?
Ny lefakozatra, na ny « poliomyélite » na « polio », dia otrikaretina vokatry ny viriosy iray atao hoe « poliovirus ». Ny « système nerveux » no tafihan’ity viriosy ity ka mety mampalemy ny hozatra na hoe mampalemy, indrindra ny ranjo. Ho an’ireo tranga efa « graves » dia mety mitarika amin’ny fahafatesana ny aretina lefakozatra. Mety mahavoa ny olona rehetra ity aretina ity ary ireo 5 taona no midina no betsaka voa.
Mbola tsy misy ankehitriny ny fitsaboana afaka manasitrana tanteraka ny aretina lefakozatra. Ny fandraisan-tanana dia miompana amin’ny fampitoniana ireo soritr’aretina sy amin’ny famerana ny mety fahasarotana ateraky ny otrikaretina.
Ahoana ny fifindran’ny aretina lefakozatra ?
Mifindra avy amin’ny maloto (tay) tafiditra any am-bava ny aretina lefakozatra. Izany hoe ilay viriosy dia mipetraka anatin’ny maloton’ilay olona mitondra ilay tsimokaretina ka mifindra any amin’ny olona hafa salama ity farany raha sendra tafihinana sakafo na tafasotro rano tratra io maloto io izy.
Ireo fambaran’ny lefakozatra
Ny ankamaroan’ireo olona tratry ny lefakozatra dia tsy ahitana soritr’aretina manokana na koa misy fa azo lazaina ho maivana toy ny fanaviana na ny havizanana. Eo amin’ny olona sasany kosa nefa mety miteraka fahalemen’ny hozatra na hoe mampalemy ny aretina lefakozatra.
Inona no fanefitry ny aretina polio ?
Azo atao tsara ny misoroka ny aretina lefakozatra na ny polio amin’ny alalan’ny fanaovana vaksiny fanefitr’izany. Ny zaza amam-bolana dia efa atao ity vaksiny ity. Satria moa mbola miparitaka ihany ity otrikaretina ity eto amintsika dia ilaina hatrany ny manao « rappel » ny vaksiny ka mila manao izany avokoa ny rehetra, na ny ankizy na ny lehibe.
Mba hamerana ny fiparitahan’ny aretina lefakozatra dia entanina hatrany ny rehetra mba hanaja ny fahadiovana. Ny voalohany amin’izany dia ny fampiasana lavapiringa fa tsy manao maloto eny ankalamanjana eny. Fadiana ihany koa ny manary maloto eny rehetra eny, indrindra eny amoron’ny rano mandeha, ny tanimbary, ny tanim-boly… Tsy adinoina ny fanasana tsara ny tanana sy ny sakafo hoanina. Rano madio ary avy nampangotrahana hatrany no sotroina tsara sotroina.