• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Le Messager
Image
Fahasalamana&Sakafo

Aretin’ny vanintaolana : ireo tsara fantatra mikasika azy ireny

23/10/2024 14:29 © Moov.Mg

Matetika ny fanaintainana eo amin’ny vanintaolana dia vokatry ny aretina mahazo ny vanintaolana. Mety manaintaina ary manelingelina ny fiainana andavanandro moa ny fisian’izany fanaintainana izany. Fa inona tokoa moa ireo karazana aretin’ny vanintaolana mateti-pitranga ary inona no mahatonga azy ireny ? Ahoana ihany koa ny atao hamerana ny aretina tsy hiombo ?

Ireo karazana aretin’ny vanintaolana sy ny antony mahatonga azy

Misy karazany maro ny aretin’ny vanintaolana ary samy manana ireo anton-javatra mety mahatonga azy izy ireny. Ny arthrite dia voambolana azo amaritana karazana aretin’ny vanintaolana maro toy ny tendinite, arthrose, bursite, polyarthrose rhumatoïde…
Misy amin’ireo aretina ireo no « auto-immunes » na hoe vokatry ny tsy fahatomombanana teo amin’ny fiasan’ny hery fiarovana. Izany hoe ireo sela salama tao amin’ny vatana no nopotehin’ireto farany ka nahatonga ilay aretina. Anisan’izany ny polyarthrite rhumatoïde. Ity farany dia mety hahavoa vanintaolana maro.
Ny sasany amin’ireo karazana arthrite indray dia mety vokatry ny fampiasana mafy loatra ny faritra manokana amin’ny vatana, toy ny fanaovana fihetsika miverimberina foana na fitoerana tsy mampahazo aina rehefa miasa. Ny arthrose ohatra dia vokatry ny fahalanian’ny « cartilage » anatin’ny vanintaolana. Rehefa lany na simba io « cartilage » io dia lasa mifampikasoka ny taolana ka mahatonga fanaintainana.
Antony hafa mahatonga ny aretin’ny vanintaolana ny « traumatismes » samihafa toy ny hoe voadona mafy ka lasa misy mitritra ny « tissus » mandrafitra ny vanintaolana. Ny ratra eo anivon’ny « ligaments » ihany koa dia mety mitarika aretin’ny vanintaolana. Ny « traumatismes » kely nefa miverimberina, toy ny fibatana zavatra mavesatra matetika, dia anton-javatra iray hafa mankarary ny vanintaolana.
Misy ihany koa ireo « arthrite » vokatry ny otrikaretina toy ny viriosy, bakteria na « champignons ». Raha izany no mitranga dia eo amin’ny faritra iray manokana no ahatsapana fanaintainana.

Ireo fomba atao hisorohana ny aretin’ny vanintaolana

Misy amin’ireo fanaintainan’ny vanintaolana no miseho rehefa miha antitra, toy ny arthrose. Misy ihany koa ireo hafa, toy ny polyarthrite rhumatoïde, izay mety ho manaranaka. Mazava ho azy fa sarotra ny misoroka ny aretin’ny vanintaolana manoloana ireo anton-javatra ireo.
Misy kosa nefa etsy andaniny ireo anton-javatra mifandray amin’ny fahazarana sy ny fombam-piaina izay azo ahintsy mba hisorohana ny aretin’ny vanintaolana sy ny fanaintainana atarak’izany. Ireto manaraka ireto ary ny torohevitra tsara ampiharina mikasik’izany :
-Misotro rano tsara isan’andro mba hikolokoloana ny kalitaon’ny sela anatin’ny vanintaolana, indrindra ny « cartilage » ;
-Mihinana sakafo ara-pahasalamana ka ferana ny sakafo misy siramamy. Ny fiakaran’ny tahan’ny siramamy anaty rà tokoa mantsy dia maha asidra ny anaty vatana ka mandrisika ny aretina samihafa, toy ny aretin’ny vanintaolana ;
-Manetsiketsika ny vatana amin’ny alalan’ny « exercices » tsotra sy zakan’ny vatana. Tandremana ny manao fanatanjahantena na kotrana mafy loatra, indrindra ireo mety mandrovitra na mandratra ny vanintaolana ;
-Lanjalanjaina ny hatavezana satria raha matavy loatra dia lasa manavesatra ny lanja zakain’ny vanintaolana, indrindra ireo amin’ny tapany ambany amin’ny vatana.

Lire la suite

Articles Similaires