Fomba tsotra fanaovana brioche ao an-trano
Zavatra iray isan’ny manahirana ny ray am-dreny indrindra ny mikaroka ny goûter atao ho an’ny ankizy isan’andro. Atoro eto ary ny fomba tsotra fanaovana ny brioche vita ao an-trano. Matsiro, tsy be masokarena sady mora atao izy ity. Araho ary !
Ireo zavatra ilaina raha hanao brioche
-Lafarina 250g ;
-Atody 3 ;
-Dibera natsonika 125g ;
-Siramamy 2 sotro fihinanana ;
-Levure boulanger 1 fonosana ;
-Sira 1 tsongo ;
-Ronono 2 sotro fihinanana.
Ireo dingana amin’ny fikarakarana azy
Arotsaka anaty bol ny akora rehetra dia ny lafarina, levure, sira, siramamy, dibera natsonika, atody sy ronono. Avy eo kapohana hitambatra tsara mandritra ny 15 minitra. Raha manana robot dia izay no ampiasaina. Raha tsy manana dia mety ihany koara raha kapohana amin’ny tanana. Rehefa tsy misy manaraka intsony ny paty dia vonona izy izay.
Avela hilona mandritra ny adiny roa ora amin’ny toerana mafana.
Rehefa vita izay dia kapohana amin’ny totohondy ny paty mba hivoaka ny rivotra ao anatiny. Aoriana izay dia volaina hahazo ny endrika brioche.
Osorana dibera ny lasitra na ny « moule » ary atao ao ny paty efa nomena endrika brioche. Avela hipetra mandritra ny adiny iray.
Afanaina amin’ny hafanana 180°C ny lafaoro. Osorana ronono ny tampon’ny paty. Rehefa izay dia atsofoka anaty lafaoro mandritra ny 25 hatramin’ny 30 minitra. Rehefa masaka dia vita.
Afaka hoanina amin’izao ny brioche na koa osorana confiture, chocolat…