Fahasalamana : mitondra vokatsoa maro ny fihinanana angivy
Isan’ireo sakafo vokatra betsaka eto amintsika ny angivy. Maro ny mankafy azy ireny nefa misy ihany koa ireo tsy tia azy noho ny tsirony mangidy. Re matetika eny amin’ny fiarahamonina eny hoe mahasalama ny angivy ka tsara hoanina matetika. Fa inona ary ireo vokatsoa azo avy amin’ny fihinanana angivy ?
Inona tokoa moa ny angivy ?
Ny angivy dia karazana legioma iray anatin’ny sokajy ny « solanacées » miaraka amin’ny baranjely, voatabia sy ny poivron. Misy karazana maro moa ny angivy ka ny fahita indrindra eo amintsika dia ilay karazany miloko maitso na mavo ary manana tsiro somary mangidy. Mbola tanora ny angivy no hotazana satria rehefa miha antitra izy ireny dia vao maika lasa mangidy be.
Maro ny fomba afaka ampiasana ny angivy amin’ny nahandro. Misy ireo mampiasa azy ireny atao lasary na atao saosy miaraka amin’ny tongolo sy voatabia ary sakay fanendy. Fa amin’ny ankapobeny dia ampiarahana amin’ny ro matsatso no fomba fihinanantsika azy ireny amin’ny andavanandro.
Ireo vokatsoa azo avy amin’ny fihinanana angivy
Araka ny voalaza teo ambony dia mitondra vokatsoa maro ho an’ny vatana sy ny fahasalamana ny fihinanana angivy matetika. Ansan’izany ny :
-Mikolokolo sy miaro ny fahasalaman’ny fo sy ny lalan-drà amin’ny fiadiana amin’ny « cholestérol » ratsy ;
-Mametra ny tahan’ny siramamy ao anatin’ny rà ka miaro ny vatana amin’ny diabeta ;
-Manampy amin’ny fanalana ny tavy, indrindra ny amin’ny kibo ;
-Manatsara ny fiasan’ny taovam-pandevonan-kanina noho izy mitahiry fibra betsaka ;
-Manadio ny ao anaty sy manala ireo « toxines » ;
-Manatsara ny fiasan’ny voa ;
-Manampy amin’ny fanomezana rano ny vatana noho izy mitahiry rano betsaka.