Vomanga : sakafo mahasalama nefa tsy lafo vidy
Ny vomanga dia isan’ireo haninkotrana vokatra betsaka eto amintsika ary azo lazaina hoe mbola takatry ny maro ny vidiny. Tombontsoa ho antsika izany satria sakafo iray be otrikaina sy mineraly izy io ka mitondra vokatsoa maro ho an’ny vatana sy ny fahasalamana. ‘Ndeha ary ho fantarina ireo zavatsoa hita ao amin’ny vomanga.
Be vitamina sy mineraly
Isan’ny be vitamina sy mineraly indrindra ny vomanga raha samy haninkotrana. Mitahiry vitamina A amin’ny tahany ambony izy ity ka manampy betsaka amin’ny fikolokoloana ny fahasalaman’ny maso sy ny hoditra. Ankoatra izay dia ahitana vitamina C ihany koa ao aminy. Ny vitamina C dia manampy amin’ny fanamafisana ny hery fiarovana. Ny vomanga ihany koa dia manankarena potassioma izay tsara ho an’ny fo ary fibra izay manamora ny fandevonan-kanina.
Manana fiasa « antioxydante » sy « anti-inflammatoire »
Ny vomanga dia manana fiasa « antioxydante » sy « anti-inflammatoire ». Ireto farany dia manampy betsaka amin’ny fisorohana ny homamiadana sy ny areti-mitaiza sasany. Misy ny vokam-pikarohana manambara fa manana fiasa « antimutagènes » ihany koa ny vomanga ka mahatonga azy misy fiantraikany amin’ny fisorohana ny « cancer du côlon ». Etsy andaniny dia mandray anjara amin’ny fiarovana ny fahasalaman’ny fo sy ny lalandrà ihany koa ny vomanga, indrindra noho izy manankarena potassioma.
Mandanjalanja ny tahan’ny siramamy anaty rà
Manampy betsaka amin’ny fandanjalanjana ny lanja ny vatana sy ny tahan’ny siramamy anaty rà ny vomanga. Manana « indice glycémique » ambany sy mitahiry fibra betsaka tokoa mantsy izy ireny. Izany dia mametra ny fiantraika ratsin’ny siramamy amin’ny fiasan’ny sakaraty. Ny fibra ihany koa dia mampiadana ny fidiran’ny siramamy anatin’ny rà. Ankoatra izay dia manome fahatsapana voky ny vomanga ka misoroka ny fihinana sakafo antenantenam-potoana.
Mitahiry « glucides complexes »
Ny vomanga dia mitahiry karazana siramamy atao hoe « glucides complexes ». Ireto farany dia mitondra hery maharitra ao amin’ny vatana noho izy tsy mora levona toy ny siramamy tsotra. Mety tsara hoan’ny olona mpanao fanatanjahantena na mampiasa vatana matetika arak’izany ny fihinanana vomanga. Ny fitsaboana sinoa dia mandrisika ny fihinanana ity haninkotrana ity ho an’ireo olona mahatsiaro tena rera-dava.