• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Uniprix
Image
Fahasalamana&Sakafo

« Insuffisance cardiaque » : ireo fambara sy fisorohana izany

23/08/2024 11:20 © Moov.Mg

Manao « insuffisance cardiaque » ny olona iray rehefa reraka ny fony ka tsy mahavita ny asany intsony. Izany hoe lasa tsy mahavita mandefa ny rà mankany amin’ireo taova araka ny tokony ho izy intsony ny fo. Ahoana ary ny fisehon’ny « insuffisance cardiaque » ary inona ny fisorohana azo atao ?

Inona no atao hoe « insuffisance cardiaque » ?

Ny « insuffisance cardiaque » dia tsy fahatomombanana eo amin’ny fikainkon’ny hozatry ny fo izay mahatonga ity farany tsy mahavita manao tsara ny asany. Izany hoe lasa tsy afaka mandefa tsara ny rà mankany amin’ny taova araka ny tokony ho izy ny fo. Maro ireo antony mety mahatonga ny « insuffisance cardiaque », ka anisan’izany ny tosidrà ambony, ny diabeta, ny aretin’ny fo, ny tsy fahatomombanan’ny fo hatrany am-bohoka, nanao « crise cardiaque »… Mazava ho azy fa mety miteraka olana ara-pahasalamana na fahasarotana ara-pahasalamana ny « insuffisance cardiaque » ka mila tsaboina tsara raha tratry izany.

Ireo fambara ny « insuffisance cardiaque »

Anisan’ireo fambara ahafantarana fa manao « insuffisance cardiaque » ny olona iray raha toa ka :
-Sempotra tsy mahazo aina ary rehefa amin’ny alina dia toy ny tsy avy miaina raha tsy atao avo be ny ondana na koa mila mipetraka na mitsangana ;
-Mikoho-maina na mihokoa mahazo rehoka mandroatra ;
-Mora reraka sy mora sempotra rehefa mandeha tongotra na mihakatra tohotra ka tsy mitony izany raha tsy mijanona maka aina elaela ;
-Mizihitra be ny lalan-drà eo amin’ny tenda ;
-Mivonto ny tampon-tongotra ary mety miakatra hatrany amin’ny fe izany ;
-Manindrona toy ny manevika ny ilan-kibo ankavanana mifanandrify amin’ny aty, indrindra rehefa mandeha tongotra na miakatra tohotra ;
-Midobodoboka mafy sy haingana be ny fo na hoe manao « palpitations ».

Ahoana ny atao mba ho fiarovana ny fo amin’ny « insuffisance cardiaque » ?

Mba hisorohana ny « insuffisance cardiaque » dia mila arovana ny fo mba tsy ho reraka. Ireto manaraka ireto ary no tokony atao amin’izany :
Fadiana ny sigara sy ny setroka sigara satria ny sigara dia manimba ny lalan-drà izay manondraka ny fo ary mahatonga ny atao hoe « athérosclérose ». Ity farany no mitarika ny fahatsetsenan’ny lalandrà amin’ny fo ;
Ferana arak’izay azo atao ho fihinanana sakafo matavy, be menaka sy mamy loatra. Mitarika fahatsentsenan’ny lalandrà ny menaka ratsy (mauvais cholestérol) entin’izy ireny. Ny siramamy ihany koa raha be loatra ny hoanina dia mety mivadika tavy.
Ahena ny sira. Ilain’ny vatana ny sira nefa kosa tsy tokony hihoatra ny 1 sotrokely isan’andro ny fatran’izany rehefa tsinjaraina amin’ny sakafo tontolo andro. Ny sira dia mitazona rano ary mampiakatra tosidrà. Ny tosidrà ambony dia anisan’ireo manimba ny fo.
Manetsiketsika ny vatana (exercices) na manao fanatanjahantena isan’andro. Amin’ny ankapobeny dia tokony manao fanatanjahantena adiny roa sy sasana isan-kerinandro farafahakeliny ny olona tsirairay. Isan’ireo tena tsara amin’ny fikolokoloana ny fo ny lomano, hazakazaka madinika ary ny bisikileta.
Manao fitiliana indray mandeha isan-taona farafahakeliny hijerena ny tosidrà sy ny diabeta. Raha misy ireo dia mila tsaboina tsara satria ireo aretina ireo no isan’ny tena mamotika malaky ny fo sy ny lalandrà raha tsy voatsabo ara-dalàna.

Lire la suite

Articles Similaires