• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Santé Magazine
Image
Fahasalamana&Sakafo

Torohevitra mba ho ampy rano tsara ny vatana rehefa ririnina

20/08/2024 11:24 © Moov.Mg

Mampalaina tokoa ny misotro rano rehefa ririnina toy izao, indrindra raha tsy mahita rano mafana. Mila ampy rano tsara nefa ny vatana mba hiasa tsara sy ho salama. Ireto manaraka ireto ary misy torohevitra tsara ampiharina mba ho ampy rano tsara ny vatana isan’andro.

Mametraka fotoana voafaritra hisotroana rano

Isan’ny fomba iray mahomby indrindra mba ho ampy rano tsara ny vatana mandritra ny tontolo andro ny fametrahana fotoana voafaritra hisotroana rano. Izany dia mba hisorohana ny fanadinoana misotro rano na koa ny tsy fahampiana rano vokatry ny fahalainana misotro rano noho ny hatsiaka. Tsotra ny fomba atao, anisan’izany ity ohatra manaraka ity : Vao mifoha maraina dia misotro rano 1 vera ary misotro rano mafana na dite rehefa misakafo maraina. Misotro rano 1 vera rehefa amin’ny 10 maraina iny ary misotro 2 vera rehefa atoandro. Rehefa hariva misotro rano na ranom-boankazo 1 vera indray. Rehefa misakafo hariva dia misotro rano 2 vera.

Fantarina ireo fambara ahatsapana fa tsy ampy rano

Fomba iray ahafahana misoroka ny tsy fahampiana rano ny fihainoana ny vatana. Raha tsy misotro rano tsara tokoa mantsy dia mety misy ireo fambara hanairan’ny vatana ny saina hoe tsy ampy rano. Anisan’izany ohatra ny havizanana, ny aretin’andoha, ny fahalain-komana… Mazava ho azy fa tsy tokony hiandry ireo fambara ireo hiseho vao misotro rano. Raha toa kosa ka nanadino na nalaina nisotro rano tsara dia mila mailo rehefa miseho ny iray na ny maro amin’ireo fambara ireo. Ankoatra ireo efa voalaza ireo dia misy ireo fambara mampiseho fa tena tsy ampy rano mihintsy ny vatana, toy ny hoe maina ny hoditra, mihena ny pipy, marary an-doha lava…

Ireo fikafika mampazoto misotro rano rehefa ririnina

Isan’ireo antony lehibe mahatonga tsy fahampiana rano ny fahalainana misotro rano, indrindra rehefa ririna. Maro ireo fikafika sy vahaolana manampy mba hazoto misotro rano na dia mangatsiaka aza ny andro. Anisan’ny torohevitra mandaitra ny fanampiana tsiro ny rano. Mety mora mankaleo tokoa mantsy ny misotro rano tsotra ka mba hampazoto dia asiana ranona voankazo kely anatin’izany. Voankazo mamy no tena tsara ampiasaina satria tsy tsara asiana siramamy io rano fisotro io. Fikafika iray hafa mandaitra ihany koa ny fanisiana episy amin’ny sakafo. Rehefa somary masitsiaka na matsiro be ny sakafo dia lasa mazoto misotro rano betsaka kokoa.

Lire la suite

Articles Similaires