• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Cuisineaz
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fomba tsotra fanaovana « meringue »

19/08/2024 16:19 © Moov.Mg

Nahandro matsiro nefa mora karakaraina ary tsy mila akora betsaka ampiasaina ny « meringue ». Azo hoanina amin’izao izy ireny fa afaka hanaingoana mofomamy sy tsindrin-tsakafo isan-karazany ihany koa. Araho ary ny fomba fanaovana azy.

Ireo zavatra ilaina raha hanao « meringue »

-Tapotsin’atody 2 ;
-Siramamy 120g.

Ireo dingana amin’ny fikarakarana azy

Hafanaina mialoha amin’ny hafanana 100°C ny lafaoro.
Arotsaka anaty bol lehibe ny tapotsin’atody avy eo kapohana amin’ny « robot » na amin’ny « batteur électrique ».
Rehefa manomboka mihafotsy toy ny « mousse » dia araraka tsikelikely, atao mizara 4, ao ny siramamy. Sady tohizana kapohana hatrany.
Ampitomboana hatrany ny hafainganam-pandehan’ny « batteur » na ny « robot » isaky ny avy mandrotsaka siramamy.
Vonona ny « meringue » rehefa lasa malama sy mangirana ilay fangaro nokapohana. Fomba hafa ahafantarana fa mety ihany koa izy io raha ohatra ka mahazo toy ny vavam-borina eo amin’ilay « fouet » rehefa esorina anatin’ilay fangaro.
Raha tiana asiana loko ny « meringue » dia afaka andrahana « colorant alimentaire » kely. Avy eo kapohana indray mba hifangaro sy hahazo loko.
Rehefa vonona dia araraka anaty « poche à douille » ny « meringue ». Tsara kokoa raha « douille » miendrika kintana na somary misy nifinifiny no ampiasaina.
Asiana « papier cuisson » eo ambonin’ny « plaque de cuisson ». Alahatra eo ny « meringue ». Andrahoina anaty lafaoro mandritra ny 1ora sy 20 minitra.
Rehefa masaka dia avoaka ary avela hangatsiaka tsara vao afindra amin’ny lovia. Azo tehirizina anaty fitoerana mihidy tsara mandritra ny 2 herinandro. Tsy atao anaty vata fampangatsiahana na amin’ny toerana mafana.

Lire la suite

Articles Similaires