• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Marie Claire
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fomba fanamboarana mayonnaise vita amin’ny ronono

26/07/2024 16:43 © Moov.Mg

Efa mahazatra antsika ny mampiasa atody rehefa hanao mayonnaise ao an-trano. Fantaro nefa maro ireo karazana « recettes » tsy mampiasa ataody afaka hanaovana mayonnaise. Ny atoro eto indray ary dia ny fomba fikarakarana mayonnaise vita amin’ny ronono.

Ireo zavatra ilaina raha hanao mayonnaise vita amin’ny ronono

-Ronono velona tapaky ny vera efa masaka sy mangatsiaka ;
-Menaka 1 vera ;
-Sira sy dipoavatra ;
-Vinaigitra 1 sotro fihinanana ;
-Rano 2 sotro fihinanana ;
-Tongolo gasy hasiny voakiky 1.

Ireo dingana amin’ny fikarakarana azy

Atao anaty mixeur ny ronono, ny menaka, ny tongolo gasy voakiky, ny sira, ny dipoavatra ary miaraka ahodina ao. Tsara raha vera kelikely no hamarana ilay ronono ary io vera io ihany koa no ampiasaina hamarana ny menaka mba hifandanja tsara ny fatra.
Tohizana ahodina hatrany ny fangaro ka rehefa hita fa lasa marihitra tsara dia arotsaka ny vinaigitra. Mbola tohizana ahodina hatrany mba hitombo. Raha hita fa lasa marihitra be loatra dia arotsaka ao ny rano 2 sotro.
Rehefa vita dia loharana atao anaty bol antonona azy. Saromana film alimentaire ary avela hipetraka anaty vata fampangatsiahana vao ampiasaina.

Fanamarihana

Ity karazana mayonnaise vita amin’ny ronono ity no mety ho an’ireo olona tsy mahazaka atody. Mazava ho azy fa mety ho an’ny olona rehetra ihany koa izy ity afatsy ireo izay tsy mahazaka ronono. Azo ampiasaina amin’ny sakafo isan-karazany toy ny mayonnaise mahazatra moa izy ity. Azo asiana tongolo maitso voatetika madinika ho an’ireo izay tia izany.

Lire la suite

Articles Similaires