• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Marie Claire
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fomba fikarakarana tripy sy legioma ritra

23/07/2024 16:30 © Moov.Mg

Nahandro maro mpankafy tokoa ny tripy na vorovoron-kena hoy isika. Maro karazana ny fomba afaka handrahoana sy hikarakarana azy io. Ny fanaovana tripy sy legioma atao ritra indray no ho zaraintsika eto.

Ireo zavatra ilaina

-Tripy 750g ;
-Karaoty 150g ;
-Ovy lehibe 5 ;
-Petits pois 2 kapaoka ;
-Tongolo 3 ;
-Voatabia amin’ny boaty 1 sotro fihinanana ;
-Sakamalaho voakiky tapaky ny sotrokely ;
-Tongolo gasy voakiky 1 sotrokely ;
-Sira sy dipoavatra ;
-Menaka.

Ireo dingana amin’ny fikarakarana ny nahandro

Diovina tsara aloha ny tripy. Izany hoe ajoboka kely anaty rano mangotraka nasiana vinaigitra fotsy avy kikisana amin’ny antsy ny tripy mba hiala ireo loto aminy. Afaka tohizana kikisana ihany koa raha tiana hiala mihintsy ilay maintimainty iny. Avy eo konanina amin’ny rano mangatsiaka.
Manarak’izay, tetehana araka ny habeny hitiavana azy io vorovoron-kena io ary andrahoana anaty rano nasiana sira. Avela hiketrika ambony afo mandrapahaleminy.
Tetehana efajoro madinika ny karaoty ary zaraina 2 misasaka ny ovy efa voavaofy. Sasana tsara daholo ary avela hitsiaka anaty passoire.
Andrahoina mitokana aloha ny petits pois. Rehefa hita fa madiva ho masaka dia arotsaka ao ireo karaoty sy ovy.
Tetehana madinika ny tongolo avy eo endasina. Rehefa manomboka mahazo loko ny tongolo dia arotsaka ao ny tongolo gasy sy ny sakamalaho.
Levonina anaty rano ny voatabia amin’ny boaty ary alefa anatin’ny lapoaly nanendasana ny tongolo. Aroharoana hifangaro tsara daholo sy hiara hiketrika.
Rehefa malemy ny vorivorin-kena dia arotsaka ao daholo ireo fangaro rehetra, dia ny legioma sy ny saosy izany. Ataingina ambony afo mba hiaraka ho ritra tsara daholo. Tsy adinoina ny manisy sira sy dipoavatra arak’izay fatra hitiavana azy.

Lire la suite

Articles Similaires