• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Pharmazone
Image
Fahasalamana&Sakafo

Kankan-tsinay : ireo tsara fantatra mikasik’izany

22/07/2024 14:27 © Moov.Mg

Bibikely katsentsitra mihaina anaty tsinain’olombelona ny kankan-tsinay na ny « vers intestinaux ». Arak’izany dia mety hitarika soritr’aretina samihafa ny fisian’izy ireny. Misy amin’izany fambara izany no tsy misy atahorana fa misy ihany koa ireo tsy azo atao tsirambina satria mety hitarika fahasarotana ara-pahasalamana.

Ireo fambara ahafantarana fa misy kakan-tsinay

Samy mety hisy kakan-tsinay avokoa na ny ankizy na ny lehibe na dia ny ankizy aza matetika no betsaka ahitana azy ireny. Anisan’ireo fambara ahafantarana fa misy kakan-tsinay ny :
-Fisian’ny hidihidy ao amin’ny lavaky ny fitombenana. Rehefa alina no tena mihetsika izany ary mety tena mangidihidy tsy mampatory ;
-Fikorontanan’ny kibo izay miseho amin’ny alalan’ny fivalanana, fanaintanana ao amin’ny kibo… Mety mahatsapa maloiloy sy mety mandoa ihany koa arakaraky ny karazan’ilay kakan-tsinay ;
-Falain-komana sy fihenan’ny vatana. Afaka mitroka ny otrikaina entin’ny sakafo ny kakan-tsinay ka mahatonga ilay olona lasa tsy mazoto homana sy mihena ;
-Arerahana sy fahakizitinana.
Misy ihany koa ireo soritr’aretina hafa ateraky ny karazana kankan-tsinay sasany toy ny kohoka, ny fanaintainanana ao amin’ny tratra, ny fisian’ny mandrotsirotsy na mibontsimbontsina eo amin’ny hoditra.

Fomba atao hanesorana ny kakan-tsinay

Raha mahatsikaritra ny iray na ny maromaro amin’ireo fambara notanisaina teo ireo dia mila manantona mpitsabo amaritana fa misy kankana tokoa sy mba ahazo ny fanafody sahaza izany. Mety misy fitiliana atao ahafantarana ny karazana kankan-tsinay mila halana. Marihana fa tsy mitovy ny famonoana sy fanesorana ny kankan-tsinay rehetra ka anjaran’ny mpitsabo no mamaritra izany.

Ireo fisorohana azo atao

Azo atao tsara ny misoroka ny kankan-tsinay amin’ny alalan’ny fanajana ny fahadiovana amin’ny fiainana andavanandro. Anisan’izany ny :
-Fanasana tanana matetika amin’ny rano sy savony, indrindra rehefa alohan’ny hisakafo ;
-Fanapahana sy fanadiovana tsara ny hoho ;
-Fanasana tsara ny voankazo sy ny legioma alohan’ny hinanana izany ;
-Fisotroana rano madio na efa nampangotrahana ;
-Fanoloana matetika ny atin’akanjo sy ny akanjo fientina matorin’ny zanaka.

Lire la suite

Articles Similaires