Bongo maso rehefa avy mitomany : ny fomba atao hampihenana izany
Rehefa avy nitomany be ny olona iray, na ankizy na lehibe, dia lasa bongo ny maso. Izany hoe hita mivonto ny hodi-maso. Matetika moa dia maharitra ora maro izany fivontosana izany vao mihena ka zary manahirana sy mahamenatra rehefa hivoaka ny trano. Fa inona no mahatonga ny maso ho bongo rehefa avy mitomany be ? Ahoana ny fomba atao mba hampihena izany haingana kokoa ?
Ny antony mahatonga ny maso ho bongo rehefa avy mitomany
Misy karazany telo ny ranomaso vokarin’ny maso. Ny voalohany dia ny ranomaso izay vokarin’ny maso tsy ankiato hanomeza amandoana ny maso sy hiarovana azy amin’ny loto avy any ivelany. Ny karazana ranomaso faharoa dia ilay manala ny loto tafiditra anaty voamaso.
Ary ny karazana ranomaso farany dia ilay mivoaka rehefa mitomany. Ity karazana ranomaso fahatelo ity no maha bongo maso, indrindra rehefa mitomany be. Mitahiry singa maro izy io, toy ny « sodium », « protéine », « glucose », « lipides », mineraly ary tsiry mpanentana. Izy ireo ny mampivonto ny hodi-maso.
Ahoana ary ny atao ampihena ny maso bongo noho ny ranomaso ?
Araka ny voalaza teo aloha dia mihena ho azy ny maso bongo afaka ora maromaro taorian’ny nitomaniana. Raha toa kosa ka maniry ny ampihena izany haingana dia misy ireo fikafika natoraly azo atao :
Asiana rano mangatsiaka amin’ny maso
Manampy betsaka amin’ny fampihenana ny maso bongo ny fandemana izany amin’ny rano mangatsiaka. Maka koveta madio nofenoina rano ary ajoboka ao manditra ny 30 segondra ny loha mba ho tratr’ilay rano mangatsiaka ny maso. Averina in-tela na in-efatra izany. Tsy voatery mihiratra fa azo akipy ny maso mandritra izany.
Petahana zavatra mangatsiaka eo amin’ny hodi-maso
Azo atao ihany koa ny mametaka zavatra mangatsiaka eo amin’ny hodi-maso mba ampihena haingana ilay maso bongo. Raha misy « glaçon » dia iny no apetaka segondra vitsy eo amin’ny hodi-maso sy eo ambanin’ny maso. Ilay hatsiaka be iny dia mampitony haingana ny lalan-drà madinika anatin’ny hodi-maso ka mampisinda ny fivontosana. Manala ny « poches » ambanin’ny maso ihany koa izany.
Petahana « concombre » nosilahana manify eo amin’ny hodi-maso
Alaina ny « cocombre » ary sasana tsara. Tsy voasana fa tonga dia silahana manify manaraka ny sakany (boribory). Iny silany iny no apetaka eo ambonin’ny hodi-maso. Tsara raha « concombre » vao avy navoaka tao anaty vata fampangatsiahana no ampiasaina. Mangatsitsiaka ary mitony ny maso bongo rehefa tratr’izany. Avela mijanona eo 10 minitra vao esorina.
Ahoana no atao hisorohana ny maso tsy ho bongo rehefa avy mitomany ?
Rehefa mitomany be dia mamokatra ranomaso be ihany koa ny maso. Ny famokarana izany ranomaso izany moa no mahatonga ny maso ho bongo. Mba tsy hampivonto be ilay maso bongo dia fadiana ny mamafa sy mikosoka ny ranomaso amin’ny mosoara. Vao maika mahabongo sy maha mena ny maso ny fanaovana izany. Rehefa mitomany dia somary petapetahana moramora amin’ny mosoara fotsiny ny ranomaso fa tsy fafana.