• Cours de change
  • 4733.39 AR
  • |
  • $4423.3 AR
Copyright Image : © Booking Hotels Madagascar
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fomba fanamboarana koba ravina

19/03/2024 16:17 © Moov.Mg

Anisan’ireo sakafo mampalaza an’i Madagasikara ny koba. Efa nozaraina teto ny fanaovana koba voanjo ka ny fanamboarana ny koba ravina indray ary no atoro anio. Tsy mila akora mandany vola, tsy mila fotoana be ary mora karakaraina ity nahandro ity.

Ireo zavatra ilaina raha hanao koba ravina ho an’olona 16 eo ho eo

-Akondro 10 ;
-Koba vary 250g ;
-Voanjo 300g ;
-Tantely ;
-Siramamy ;
-Ravina akondro.

Ireo dingana amin’ny fikarakarana ny koba ravina

Voasana ny akondro rehetra. Avy eo potserina amin’ny sotrorovitra mba halemy ary atao anaty « bol » lehibe iray ;
Araraka eo ambonin’ny akondro voapotsitra ny koba vary. Manarak’izay dia afangaro tsara mandrapahazoana fangaro iray somary matevina sy malama. Aorian’izay dia arotsaka ny siramamy 2 na 3 sotro fihinanana.
Endasina ny voanjo aman-kodiny. Avy eo voasana dia totoina amin’ny laona na amin’ny « mixeur ». Tsy atao potsitra be mitera-menaka fa rehefa potika madinika dia ajanona.
Afanaina ny lapoaly ary arotsaka ao ny siramamy 3 sotro fihinanana, rano 3 sotro fihinanana ary ny tantely 4 sotro fihinanana. Aroharoana tsara mandritra ny 5 minitra eo ho eo mandrapahazoana fangaro somary marihitra.
Diovina tsara ny ravina akondro ary hetezana (rectangle) amin’ny habeny ilaina hamonosana ny koba. Velarina ny ravina akondro ary apetraka eo tsirairay ireo fangaro nokarakaraina teo ambony. Atomboka amin’ny akondro sy koba nafangaro 2 sotro fihinanana. Manaraka izay dia apetraka eo amboniny ny voanjo voatoto 1 sotro fihinana. Farany dia rarahana ilay fangaro marihitra natao farany io 2 sotrokely alohan’ny hanidiana ilay ravina akondro. Atao izay avokoa ny ambina koba rehetra.
Andrahoina atao masak’evoka (cuire à la vapeur) ny koba ravina. Tokony maharitra eo amin’ny 15 hatramin’ny 20 minitra eo ny fahamasahany. Amin’ny voalohany somary malemilemy ny koba masaka fa mihamafy ihany izany rehefa miha mangatsiaka.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo