• Cours de change
  • 4733.39 AR
  • |
  • $4423.3 AR
Copyright Image : © La Cuisine En Fête
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fomba tsotra fanamboarana saosisy gasy

14/03/2024 14:25 © Moov.Mg

Anisan’ny karazana saosisy matsiro sy maro mpankafy ny saosisy gasy. Efa maro rahateo moa ny mpivarotra azy ireny eny an-tsena eny. Ho an’ireo tia manao sakafo ao an-trano dia atoro eto ny fomba tsotra fanamboarana saosisy gasy. Matsiro kokoa ary tsy misy « conservateur » atahorana ankarary izy ity.

Ireo zavatra ilaina raha hanao saosisy gasy ao an-trano

-Nofon-kenan-kisoa 1 kg ;
-Nofon-ken’omby 1 kg ;
-Tavin-kisoa (lard) 200g ;
-Sira ;
-Tsinain-kena na « boyaux » ;
-Dipoavatra mainty (na izay episy tiana).

Fomba fikarakarana azy

Totoina malemy anaty milina na fitotoan-kena ny henan-kisoa sy ny hen’omby.
Tetehina « en dés » ny tavin-kisoa avy eo afangaro amin’ireo hena voatoto.
Manarak’izay dia arotsaka ny dipoavatra mainty. Azo vidiana eny an-tsena eny moa izy io. Afaka mampiasa episy hafa ihany koa.
Diovina ary sasana tsara ny tsinain-kena.
Asesika moramora ao anatin’ity farany ny fangaro nokarakaraina teo. Tandremana tsara mba tsy ho rovitra ilay tsinain-kena.

Torohevitra

Raha toa ka tsy manana ilay fitaovana manokana fanasesefana saosisy dia tsara raha manantona ireny mpitoto hena ireny ka izy ireo no asaina manasisika ny saosisy. Mora rovitra tokoa mantsy ny tsinain-kena.
Rehefa mividy tsinain-kena dia tsara tsinain-kenan-kisoa efa voadio sy maina (izany hoe tsy ilay milona rano) no vidiana. Amin’ny ankapobeny dia tokony mahavita saosisy 4 kg ny tsinain-kisoa 1.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo