• Cours de change
  • 4715.96 AR
  • |
  • $4425.78 AR
Copyright Image : © Istock
Image
Fahasalamana&Sakafo

Kanelina : mitondra vokatsoa maro ho an’ny vatana sy ny fahasalamana

05/03/2024 10:39 © Moov.Mg

Episy iray isan’ireo vokarintsika eto Madagasikara ny kanelina. Maro ny fomba ampiasaina azy ireny : atao amin’ny mofomamy, atao dite… Ankoatra ny fanomezany tsiro sy hanitra ny sakafo sy ny zava-pisotro dia fantaro fa mitondra vokatsoa maro ho an’ny vatana sy ny fahasalamana ny kanelina.

Mampitombo ny hery fiarovana ny kanelina

Manankarena vitamina sy mineraly ary « antioxydants » ny kanelina. Ireo singa ireo dia miasa amin’ny fampitomboana ara-boajanahary ny hery fiarovana. Manampy betsaka ny vatana amin’ny fisorohana karazana aretina mpitranga rehefa ririna toy ny sery, ny gripa, ny aretina an-doha sy vokatry ny otrik’aretina entin’ny hatsiaka ny kanelina.

Manatsara ny fiasan’ny atidoha

Mitondra vokatsoa eo amin’ny atidoha ihany koa ny kanelina. Mampiakatra ny singa antsoina hoe « benzoate de sodium » ao anaty atidoha ny fihinanana azy. Io singa io dia miasa amin’ny fanamboarana ny mety tsy fahatomombanana ao amin’ny atidoha. Anisan’ny faritra hiasan’ny « benzoate de sodium » ny « hippocampe » izay mandrindra ny fitadidiana sy ny fahafahan’ny saina mianatra.

Manamora ny fandevonan-kanina

Mampitony ny aretim-bavony ary manamora ny fandevonan-kanina ny kanelina. Ny fihinanana ity karazana episy ity ihany koa dia manampy betsaka amin’ny fanasitranana ny aretin-kibo ary mampitony ireo soritr’aretina entin’izany. Ny fisotroana dite kanelina dia manampy amin’ny fampisindana ny maloiloy, ny kibo manotika, ny fivalanana, ny tsy fahalevonan-kanina... Raha sendra misy rivotra ny kibo dia manampy amin’ny famoahana izany ny kanelina.

Miaro amin’ny diabeta sokajy 2

Maro ireo fikarohana manamafy fa miady amin’ny diabeta sokajy 2 ny kanelina noho izy mandanjalanja ny siramamy anaty rà. Voalaza ihany koa fa mampihena ny fiantraikan’ny sakafo sasany amin’ny fiakaran’ny tahan’ny siramamy anaty rà (glycémie) ity karazana episy ity ka miaro amin’ny diabeta. Mikolokolo ny fiasan’ny fo ihany koa ity episy ity ka misoroka amin’ny fiakaran’ny tosi-drà.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo