• Cours de change
  • 4715.96 AR
  • |
  • $4425.78 AR
Copyright Image : © Refinery29
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fahasalamana : azo avela manao manjamaso ve ny ankizy kely ?

01/03/2024 15:55 © Moov.Mg

Malaza eny amin’ny tambajotra sosialy eny ankehitriny ireo torohevitra isan-karazany fanosirana manjamaso. Mahita ireny ny ankizy dia midongy ny hanosotra izany ihany koa. Azo avela manao manjamaso ve ny ankizy kely ? Inona ny mety ho vokadratsin’izany ? Inona ary ny torohevitra azo aroso ho an’ny ray aman-dreny ?

Inona no mety ho vokadratsin’ny fanaovan’ny ankizy manjamaso ?

Mbola malemy sy marefo ny hoditry ny ankizy raha oharina amin’ny an’ny olon-dehibe. Marihana nefa fa ny ankamaroan’ny manjamaso (maquillages) amidy eny an-tsena sy eny amin’ireny tranombarotra lehibe ireny dia ahitana akora simika avokoa. Mety hanimba ny hoditry ny ankizy ny fanaovana maharitra na matetika ireny vokatra ireny. Marina fa efa misy ankehitriny ireo manjamaso natokana ho an’ny ankizy. Araka ny fikarohana natao tany ivelany dia voalaza fa maro amin’izy ireny no mitahiry akora simika tsy mety amin’ny hoditry ny ankizy ka mety mitarika « allergies ». Raha ny eto amintsika manokana moa dia ireo vokatra ratsy kalitao vita sinoa no betsaka ka vao maika atahorana hankarary ny ankizy.

Tsy azo osorana manjamaso mihintsy ve ny ankizy kely ?

Raha azo atao dia aleo miandry ny hoditry ny ankizy ho maoty, izany hoe rehefa aorian’ny fialan-tsakana, vao manositra, indraindray, manjamaso amin’ny tarehiny. Ho an’ireo mbola kely dia ny azo atao dia ny manositra ireny manjamaso fampiasa amin’ny « face painting » ireny, rehefa mila manao « déguisement » ohatra. Izany hoe mety indray mandeha na indroa ao anatin’ny taona eo ihany. Ireny karazana manjamaso ireny moa dia tsy dia mitahiry akora simika be loatra ary mora diovina amin’ny rano rehefa manala azy. Tandremana tsara mba ireo vokatra vita amin’ny rano no ampiasaina fa tsy ireo misy matavy (mitahiry menaka).

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo