• Cours de change
  • 4715.96 AR
  • |
  • $4425.78 AR
Copyright Image : © Comment-Economiser.Fr
Image
Fahasalamana&Sakafo

Tasy fotsy eo amin’ny hoho : fantaro ny mikasika ny « leuconychie »

27/02/2024 16:28 © Moov.Mg

Misy tasy fotsy mipoitra ve eo amin’ny hoho tanana na ny hoho tongotra ? Izay no atao hoe « leuconychie ». Tsy aretina akory izy io fa toe-javatra iray mandalo sy afaka ho azy amin’ny ankapobeny. Fa inona tokoa ny mahatonga ny « leuconychie » sy ny fomba atao hisorohana azy ?

Inona no atao hoe « leuconychie » ?

Ny « leuconychie » dia olana iray mahazo ny hoho noho ny fikorontanan’ny eo anivon’ny « kératine » mandrafitra ny hoho. Miseho amin’ny alalan’ny tasy fotsy eo amin’ny hoho izany. Miankina amin’ny antony mahatonga azy, dia mety ho kely dia kely ilay tasy, mety hiendrika lavalava na koa mety handrakotra ny hoho iray manontolo.
Tokony ho afaka ho azy ny "leuconychie" rehefa mihalava ny hoho tanana. Raha toa kosa ka misy soritr’aretina hafa miseho miaraka aminy dia tsara hatrany ny manantona mpitsabo. Mety hitarika tasy amin’ny hoho tokoa mantsy ny aretina toy ny « mycose », « psoriasis », aretin’ny voa, « cirrhose », diabeta…

Ireo antony mety mahatonga ny « leuconychie »

Maro ireo mieritreritra fa vokatry ny tsy fahampiana « calcium » no mahatonga ny tasy fotsy amin’ny hoho na ny « leuconychie ». Araka ny voalaza teo aloha dia tsy fahatomombanana eo anivon’ny « keratine » anatin’ny hoho no mitarik’izany. Anisan’ireo antony mahatonga izany ny :
-Fampiasana « faux ongles » ;
-Fanosorana « vernis » matetika na koa ratsy kalitao ;
-Fikikisana hoho (limage) matetika na mafy loatra ;
-Hoho voadona matetika.

Ireo fomba atao hisorohana izany

Azo atao tsara ny misoroka ny « leuconychie » na ny tasy fotsy miseho eo amin’ny hoho :
-Ferana ny fanaovana « vernis » ary fadiana ny mampijanona izany mihoatra ny herinandro eo amin’ny hoho ;
-Safidiana tsara ny kalitaon’ny « vernis » ahosotra amin’ny hoho ;
-Fadiana raha azo atao ny manao « faux ongles ». Raha tsy maintsy hametaka azy ireny dia fidiana tsara ny toerana (salon) hametahana azy ary tsy atao matetika loatra ;
-Mampiasa « gants » amin’ny tanana ary manao kiraro mihidy rehefa manao zavatra atahorana ahavoadona ny hoho.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo