• Cours de change
  • 4715.96 AR
  • |
  • $4425.78 AR
Copyright Image : © Calculersonimc
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fihinanana sira be loatra : tandremo fa mety mankarary !

27/02/2024 14:23 © Moov.Mg

Ankoatra ny fanomezana tsiro ny sakafo dia mitondra ny fatran’ny ioda ilain’ny vatana ny fihinanana sira. Maro amintsika nefa no tia mampiasa sira be loatra amin’ny sakafo ka lasa mihoatra ny fatra mahasoa miditra ao amin’ny vatana. Fa inona tokoa ny vokadratsin’ny fihinanana sira be loatra ? Ahoa ny fomba atao hampihenana ny sira hoanina isan’andro ?

Inona no antony hinanana sira ?

Ny sira na hoe « chlorure de sodium » dia molekiola simika efa nisy hatramin’izay noho izy voatahiry anatin’ny ranomasina. Izy io moa no mampasira ity farany. Efa hatry ny ela no nampiasana azy hanomezana tsiro ny sakafo sy hitahirizana azy ireny tsy ho simba.
Marihana fa mandray anjara lehibe amin’ny fiasan’ny vatana ny sira. Anisan’izany ny fanatsarana ny fiasan’ny hozatra sy ny sela, ny fitahirizana ny rano anatin’ny vatana mba hiadiana amin’ny tsy fahampiana rano, ny fampitomboana ny tosiky ny rà (pression sanguine) …

Ny vokadratsin’ny fihinanana sira be loatra eo amin’ny vatana sy ny fahasalamana

Toy ny zava-drehetra dia mety miteraka vokadratsy ny sira raha atao be loatra. Tsy tokony mihoatra ny 5g isan’andro ny fatra tokony hoanin’ny olona iray.
Raha mihoatra io fatra io matetika ny fihinanana sira dia mampitombo be loatra ny tosiky ny rà ka mahatonga ilay olona ho lasa misy tosi-drà (miakatra ny tosi-drà). Ny fiakaran’ny tosi-drà dia mety mahatonga aretin’ny fo na koa fahatapahan’ny lalan-drà.
Rehefa mandeha ny fotoana dia mihasimba ny fo sy ny voa satria ambony loatra ny tosiky ny rà mikorina anatin’ny lalan-drà. Ankoatra izay dia mety miteraka homamiadan’ny vavony, aretin’ny taolana toy ny « ostéoporose » ny fatran’ny sira ambony be anatin’ny vatana.

Ireo fomba tsotra hampihenana ny fatran’ny sira hoanina

Misy ireo fomba tsotra azo ampiharina amin’ny andavanandro mba hampihena ny fatran’ny sira hoanina. Anisan’izany ny :
-Famerana ny fihinanana sakafo voahodina, toy ny « sauce soja », « sauce de poisson », « ketchup », « chips », « nouilles » … Mila jerena hatrany ny tahan’ny sira voalaza amin’ny fonon’ireny sakafo voahodina ireny ;
-Fikarakarana ao an-trano ny « sauces » sy ny lasopy rehetra hoanina. Izany dia mba ahafahana mametra ny sira ampiasaina amin’ny fikarakarana azy ireny ;
-Fampiasana ireo karazana fangaro manome tsiro ny sakafo, toy ny sakamalaho, tongolo gasy, dipoavatra… mba hampihenana ny fatran’ny sira anatin’ny nahandro ;
-Fadiana ny mampiasa ireny vokatra manome tsiro ny sakafo ireny, toy ny « jumbo »… Raha azo atao dia aleo tonga dia hena na trondro no hanomezana tsiro ny nahandro ;
-Famerana ny fatran’ny sira anatin’ny laoka, ny salady sy ny tsakitsaky rehetra hoanina. Mazava ho azy fa tsy manampy sira ihany koa rehefa misakafo.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo