• Cours de change
  • 4715.96 AR
  • |
  • $4425.78 AR
Copyright Image : © Grandirapp
Image
Fahasalamana&Sakafo

Ankizy sy tanora : ireo sakafo manampy amin’ny fitomboany

27/02/2024 10:16 © Moov.Mg

Marina fa miankina betsaka amin’ny vahana ny habe sy halavan’ny ankizy. Mba ahafahan’izy ireo hitombo tsara araka ny tokony ho izy nefa dia misy ireo karazana sakafo ilaina omena azy amin’ny andavanandro. Sakafo mitahiry ireo singa rehetra mahasalama sy mampitombo no voakasik’izany.

Ny ronono sy ny vokatra avy amin’ny ronono

Anisan’ireo sakafo manankarena kalsioma ny ronono sy ny vokatra azo avy amin’ny ronono. Ny kalsioma dia mandray anjara lehibe amin’ny fitomboan’ny ankizy. Manampy amin’ny fitombon’ny taolana sy amin’ny fahasalaman’izany ny kalsioma. Noho izany, mila misotro ronono ary mihinana vokatra iray avy amin’ny ronono isan’andro ny zaza mitombo. Ahitana « protéïnes » sy vitamina ihany koa moa ao anatin’ireo karazana sakafo ireo.

Ny hena, ny akoho sy ny trondro

Sakafo mitahiry « protéines » amin’ny tahany ambony ny hena, ny akoho sy ny trondro. Mila ampidirina anatin’ny sakafo omena ny ankizy isan’andro izy ireny mba hahatsara ny fitomboany. Tandremana kosa nefa mba atao antonony ny fatra omena ny ankizy isaky ny misakafo satria tsy mahasalama indray raha toa ka be loatra. Raha azo atao dia indray mandeha isan-kerinandro ihany no manome azy hen’omby izay voasokajy anatin’ny hena mena.

Ny legiominezy

Tafiditra anatin’ny atao hoe legiominezy avokoa ireo karazana voa fanaontsika loaka ireny : tsaramaso, voanjobory, « lentilles », tsiasisa, « petits pois »… Maro ny ankizy no tsy mankafy mihinana azy ireny nefa dia manampy betsaka amin’ny fitomboany izy ireny. Manome « protéines végétales » ilain’ny vatana sy ny taolana ny legiominezy ka tsara homena matetika ny zaza mitombo.

Ny vary sy ny « pâtes »

Sakafo isan’ireo manankarena « glucides » sy « nutriments » indrindra ny vary sy ny « pâtes ». Manome tanjaka ny ankizy ary manampy amin’ny fitomboany ny fihinanana azy ireny. Ankafizin’ny ankizy manokana moa ny « pâtes ». Mba hisitrahana ny vokatsoa azo avy amin’izany dia tsara hatrana raha ampiarahana fromazy, legioma sy hena kely ny « pâtes » rehefa manome azy ny ankizy. Raha azo atao dia ireny « pâtes » sy vary « complets » ireny no safidiana noho izy ireny mitahiry « oligo-éléments » maro, toy ny « magnésium », « potassium », « zinc », izay manampy amin’ny fitomboan’ny ankizy sy ny tanora.

Ny voankazo sy ny legioma

Miantoka ny fahasalamana sy ny fitomboan’ny ankizy ara-dalana ny fihinanana voankazo sy legioma 5 karazana isan’andro.

Manankarena mineraly sy vitamina isan-karazany izy ireny ka izay indrindra no hampidirana azy hatrany anatin’ny sakafon’ny zaza sy ny ankizy. Mety tsy tian’ny ankizy ny mihinana azy ireny nefa anjaran’ny ray aman-dreny ny mikaroka ny fomba fikarakarana ireo sakafo ireo mba ankafizan’ny zanany azy.


Copyright Image : © Vecteezy

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo