• Cours de change
  • 4715.96 AR
  • |
  • $4425.78 AR
Copyright Image : © W
Image
Fahasalamana&Sakafo

Ny fomba fanaovana « pain pizza »

26/02/2024 15:22 © Moov.Mg

Nahandro iray azo karakaraina atao « goûter » ho an’ny ankizy indray aro no atoro antsika eto dia ny « pain pizza » izany. Arak’izany anarany izany dia mitovitovy amin’ny fikarakarana « pizza » ihany ny fanaovana azy saingy kosa tsy mampiasa « pâte à pizza » fa asolo mofo izany. Araho ary !

Ireo zavatra ilaina raha hanao « pain pizza »

-Mofo dipaina 4 ;
-« Charcuterie » izay tiana 250g ;
-Fromazy 250g ;
-Voatabia amin’ny boaty 1 ;
-Tongolo 3 ;
-Sira sy dipoavatra ;
-Menaka.

Ny fomba fikarakarana ny « pain pizza »

Tetehana somary madinika arak’izay itiavana azy ny « charcuteries ». Izany hoe atao « en dé » na atao lavalava. Kikisana ny fromazy.
Tetehana madinika ihany koa ny tongolo. Somary endasina kely amin’ny lapoaly. Tsy atao mendy be fa atao somary miova loko kely fotsiny dia esorina.
Andrahoina amin’ny rano kely ny voatabia amin’ny boaty. Asiana sira sy dipoavatra ary esorina eo ambony afo rehefa nangotraka tsara.
Miditra amin’ny fikarakarana ny mofo. Zaraina roa amin’ny halavany ny mofo tsirairay. Esorina ny atiny mba ahazoana toerana ametrahana ireo fangaro ao anatiny.
Ahosotra ao anatin’ny silaky ny mofo ny voatabia saosy. Avy eo araraka eo ambonin’izany ny « charcuteries » voatetika. Marihana moa fa azo asolo fangaro hafa izay tiana ny « charcuteries », toy ny nofon’akoho, « crevettes »… Apetraka eo ambonin’izany manaraka indray ny tongolo. Ary farany dia rakofana fromazy voatetika ireo fangaro ireo.
Apetraka eo ambony « plaque de cuisson » ireo mofo efa nasiana sesika. Avy eo ampidirina lafaoro amin’ny hafanana 160°C mandritra ny 10 minitra. Aroso mafana !

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo