• Cours de change
  • 4715.96 AR
  • |
  • $4425.78 AR
Copyright Image : © Badgut-Org
Image
Fahasalamana&Sakafo

Mitohana na « constipé » : inona no tokony atao ?

26/02/2024 13:20 © Moov.Mg

Tranga mety mahazo ny olona rehetra ny fitohanana, na ny zazakely na ny lehibe. Mety mampijaly tokoa izy io, indrindra raha maharitra andro maro. Fa inona tokoa moa ny antony mahatonga ny fitohanana ary ahoana ny fomba atao hampitoniana izany ?

Inona ny antony mahatonga ny fitohanana ?

Atao hoe mitohana na « constipé » ny olona iray rehefa mihena ny hatetiky ny fandehanany mivoaka (mikakà) na rehefa sahirana izy mamoaka izany (mafy tay). Maro moa ny antony mety mahatonga ny fitohanana. Anisan’izany ny tsy fahampiana fanatanjahantena, ny tsy fahampiana fibra avy amin’ny sakafo hoanina, tsy fahampiana rano…
Mety ho mahatonga ny fitohanana ihany koa ny rarintsaina, ny fitondrana vohoka… Raha toa kosa ka misy fambara hafa miseho miaraka amin’ny fitohanana, toy ny hoe mandoa, manavy, manaintaina be tsy zaka, misy rà manaraka amin’ny maloto, tsy mahavita mandefa rivotra… dia mila manantona mpitsabo mba hahazo ny fizahana sy fitsaboana sahaza.

Ahoana ny atao hampitsaharana ny fitohanana ?

Raha toa ka tsy vokatry ny aretina manokana na vokatry ny fihinanana fanafody mampitohana ny antony mahatonga ny fitohanana dia misy ireo torohevitra natoraly azo ampiharina mba hampitoniana sy hampitsaharana izany. Anisan’izany ny :

Fihinanana sakafo be fibra

Rehefa mitohana dia mila mihinana sakafo manankarena fibra mba hampalemy ny maloto sy hahamora ny fivoahan’izany. Isan’ireo sakafo betsaka fibra ny voankazo, ny legioma maitso, ny tsaramaso, ny « noix »…

Fisotroana betsaka

Satria mety mampitohana ny tsy fahampiana rano dia mazava ho azy fa mila misotro rano betsaka izany mba hampitsaharana ny fitohanana. Misotro rano 1,5 litatra isan’andro farafaha keliny. Tsara ihany koa raha misotro ranom-boankazo be fibra tsy asiana siramamy, toy ny ranom-boankazo vita amin’ny voasary, voatabia…

Fanaovana fanatanjahantena

Manampy betsaka amin’ny fampitsaharana ny fitohanana ny fanaovana fanatanjahantena na ny fampihetseham-batana mandritra ny 30 minitra farafaha keliny isan’andro. Manatsara ny fiasan’ny taovam-pandevonan-kanina ny fanaovana izany ka mampitony sy mampitsahatra ny fitohanana.
Raha toa ka tsy maharitra dimy andro ny fitohanana dia mila manantona mpitsabo hatrany mba ahazoana ny fandraisan-tanana sahaza izany. Marihana fa mety mitera-doza ny fitohanana raha toa ka misy maloto mafy tsy mety mivoaka ao amin’ny tsinay.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo