• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Cuisine Familiale
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fomba fanaovana « œuf mimosa au thon »

29/01/2024 17:15 © Moov.Mg

Anisan’ny nahandro fanokafam-bavony efa fahita ary efa hain’ny ankamaroantsika ny « œuf mimosa ». Azo karakaraina amin’ny fomba maro moa izy io ary miankina betsaka amin’ny tian’ny tsirairay sy ny akora misy. Ny fomba fanaovana « œuf mimosa au thon » kosa no zaraina eto ho an’ireo izay mankafy izany.

Ireo zavatra ilaina raha hanao « œuf mimosa au thon »

-Atody 6 ;
-« Thon » amin’ny boaty 1 ;
-« Mayonnaise » ;
-Tongolo gasy hasiny 1 ;
-Tongolo 1;
-Sira ;
-Persily voatetika madinika.

Fomba fikarakarana ny « œuf mimosa au thon »

Mampangotraka rano anaty vilany. Rehefa mivadibadika tsara ny rano mangotraka dia arotsaka moramora ao ny atody 6. Avela ho masaka ao mandritra ny 9 minitra dia avoaka. Ampangatsiahana anaty rano mangatsiaka. Rehefa mangatsiaka tsara dia esorina ny hodiny avy eo zaraina roa amin’ny halavany (didiana mitsangana) ary esorina ny tamenany.
Voasana ary tetehana manify sy madinika ny tongolo. Kikisana ny tongolo gasy. Atao anaty lovia ny tamenaka ataody ary potserina amin’ny sotro rovitra. Afangaro aminy ao ny tongolo sy ny tongolo gasy ary ny « thon » efa notsihifina sy nopotipotehina. Arotsaka tsikelikely ao amin’io fangaro io ny « mayonnaise » tokony ho 1 sotro fihinana. Afangaro tsara mandra-pahazo fangaro malama.
Fenoina io fangaro io ao anatin’ny tapotsin’atody. Atao mahazo endrika somary mivohitra kely ary amboarina tsara amin’ny sotro. Azo osorana « mayonnaise » eo ambonin’ilay fangaro hanome tsiro sy endrika azy. Tsy adino ny manaingo ny « œuf mimosa au thon » amin’ny persily notetehina madinika.

Lire la suite

Articles Similaires