Sakafo maivana aorian’ny fety : « rouleau de printemps »
Rehefa vita fety toy izao dia maro amintsika ny mitady sakafo maivamaivana ho karakaraina rehefa faran’ny herinandro iny. Anisan’ny sakafo mahasalama sy tsy manavesatra vavony afaka atao ny « rouleau de printemps ». Araho eto ary ny fomba fikarakarana azy.
Ireo akora ilaina raha hanao « rouleau de printemps »
-« Galettes de riz » ;
-« Vermicelle » na « pâte blanche » ;
-« Crevettes » ;
-Nofon’akoho ;
-Salady, karaoty, « concombre » na izay legioma tiana ;
-Solila ;
-« Sauce » izay tiana (« aigre douce », « vinaigrette »…)
Fomba fikarakarana azy
Voasana ny « crevettes » dia andrahoina kely. Andrahoina ihany koa ny nofon’akoho dia tetehana madinika lavalava.
Mampangotraka rano ary arotsaka ao mandritra ny 2 na 3 minitra ny « vermicelle ». Avy eo alefa anaty rano mangatsiaka dia avela hitsiaka. Raha « pâte blanche » no ampiasaina dia arotsaka ao anaty rano mafana mandritra ny 1 na 2 minitra. Rehefa malemy dia avela hitsiaka anaty « passoire ».
Sasana tsara ary tetehina lavalava madinika ny legioma.
Homanina amin’izany ny « galettes de riz ». Alefa kely anaty rano matimaty ny « galette » 1 dia rehefa malemy dia atao ambony latabatra misy lamba kely madio toy ny « torchon ». Atao eo ambonin’ny « galette » ny fangaro rehetra dia ny akoho, « crevettes », legioma, solila. Azo ampiana ny fangaro hafa izay tiana. Aforitra toy ny manao « nem » ny « galette » dia vita ny nahandro.
Haroso miaraka amin’ny « sauce » somary marihidrihitra sy marikivikivy toy ny « sauce aigre douce », na « vinaigrette » mba hivoaka tsara ny tsirony.