• Cours de change
  • 4733.39 AR
  • |
  • $4423.3 AR
Copyright Image : © The Scientist
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fahasalamana : ireo karazana fitiliana rà sy ny aretina tadiavina amin’izany

15/09/2023 10:32 © Moov.Mg

Maro amintsika no efa nasain’ny mpitsabo manao fitiliana rà (analyse de sang). Matetika moa dia tsy fantantsika mazava ny aretina tadiavina amin’izy ireny. Izany indrindra ary no hizarana eto ny fahalalana ankapobeny mikasika ireo karazana fitiliana rà sy ny aretina tadiavina amin’izany.

Ny « hémogramme » na NFS

Ny hémogramme na NFS (Numération Formule Sanguine) dia fitiliana rà atao ahafantarana hoe ampy rà ve ilay olona marary. Hita amin’ny alalan’izany raha toa ka tsy ampy rà na manao anémie ilay marary. Izany hoe ambany ny tahan’ny sela mena na « globules rouges ». Ahitana ihany koa raha manao « infection » na hoe mety misy homamiadana raha toa ka miakatra be ny isan’ny sela fotsy na « globules blancs ». Mety ahafantarana ny anton’ny mampandeha rà be loatra amin’ny alalan’ny tsy fahampian’ny isan’ny plaquettes.

Ny CRP na C-Reactive Protein

Ny CRP dia fitiliana rà atao hijerena raha misy « inflammation » ilay marary. Raha miakatra be ilay tahan’ny CRP anaty rà dia mety manambara izany fa misy mikraoba tafiditra, na misy homamiadana na misy aretina hafa ilay marary. Misy fitiliana hafa atao kosa nefa ahafahan’ny mpitsabo mitady ny faritra misy ilay inflammation.

Ny Ionogramme sanguin

Ity karazana fitiliana rà ity no hijerena raha antonony tsara ny tahan’ny Potassium ao anaty rà an’ilay marary. Raha toa ka ambony loatra ny Potassium dia mety hampijanona ny fo tampoka raha toa ka tsy voatsabo. Raha ambany loatra indray dia mety mampikorontana ny fidoboky ny fo na koa mahatonga « crampes », « arerahana »…
Ahafahana mamantatra ihany koa hoe ampy sira ( Sodium sy Chlore) ve ilay marary. Raha be loatra ny sira dia mety tsy ampy rano ilay olona. Raha midina loatra indray dia na izy mety tsy ampy sira mihintsy na feno rano loatra ao amin’ny vatany ka mila esorina izany.

Créatininémie sy ny Urée

Karazana fitiliana rà hijerena raha misy loto ao anaty rà. Raha hita fa maloto loatra ny rà dia mety midika izany fa tsy miasa tsara ny voa na koa hoe manao « insuffisance rénale » ilay marary. Raha tsy be loatra ilay loto anaty rà dia mety manambara izany fa miserana fotsiny izany fiakaran’ny créatinine na urée izany. Raha hita fa efa tena ambony ilay tahan’ny créatinine sy ny urée ary tsy mety midina amin’ny ara-dalàna intsony dia izay no ahafantarana fa potika tanteraka ny voa ka manao « insuffisance rénale chronique » ilay marary.

Mbola maro ireo karazana fitiliana rà hafa ahafahan’ny mpitsabo mamantatra ny aretina na tsy fahatomombanana ara-pahasalamana eo amin’ny marary. Ampahany fotsiny ihany moa ireo notanisaina ireo.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo