• Cours de change
  • 4752.43 AR
  • |
  • $4416.21 AR
Copyright Image : © Un News
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fisorohana ny areti-mifindra Choléra

30/04/2024 11:52 © Moov

Efa mandripaka olona maromaro any amin'ireo Nosy rahavavin'i Madagasikara ny areti-mandoza Choléra. Ny ao Comores sy Mayotte moa no tena voakasik'izany. Azo lazaina fa tandindonin-doza ihany koa i Madagasikara noho ny fivezivezena an-dranomasina sy an'habakabaka.

Ny fitrangan'ny Choléra

Ny Choléra dia aretim-pivalanana azo avy amin'ny fitelomana sakafo na rano misy mikraoba antsoina hoe "Vibrio Cholerae". Mitovitovy amin'ny aretin-kibo mahazatra ihany izy amin'ny voalohany, saingy manamarika azy ny fivalanana tampoka misesy. Mila vonoina araka izany ilay otrikaretina mba hisorohana ny fahaverezan-drano, miafara amin'ny fahafatesana. Mahatsapa fanaintainana ihany koa ny marary, sady mety hando nefa malain-komana. Fotoana fohy dia mety hikentrona ny maso sy ny hoditra noho ny tsy fahampian-drano. Ilaina ny fanantonana tobim-pahasalamana mba hahazoana fitsaboana mifanaraka amin'ny filàn'ny vatan'ny marary. Raha mihoatra ny in-telo ny fivalanana ao anatin'ny tapak'andro dia tsara raha manantona dokotera avy hatrany. Ny zaza sy ny ankizy no tena atahorana noho izy ireo mbola marefo.
Ireto avy ny mety ifindran'ny aretina Choléra :
-Rano na sakafo misy otrikaretina
-Tanana maloto
-Fifampikasohana amin'ny marary

Ny fisorohana ny aretina Choléra

Araka ny efa voalaza etsy aloha, atahorana hiditra eto Madagasikara ny Choléra. Tsara araka izany raha samy misoroka ny fiparitahan'izany areti-mandoza izany. Ireto àry misy torohevitra vitsivitsy :
-Aza mividy sakafo eny amoron-dalana intsony, indrindra fa ny sakafo tsy misarona. Sakafo voakarakarana toeram-pisakafoanana azo antoka fa tena madio ihany no hanina. Tsara kokoa aza raha tsy mihinana sakafo ivelan'ny trano mihitsy. Fotoana izao handaminam-potoana mba hikarakarana sakafo ao an-trano, na ireo "goûter" entin'ny ankizy mianatra aza ;
-Manasa tanana amin'ny savony hatrany, indrindra fa rehefa avy any amin'ny toeram-pivoahana ;
-Diovina tsara ny sakafo vao andrahoina, na legioma na voankazo na voamaina. Fadiana ny hena manta ;
-Rano efa nangotraka na rano amin'ny tavoahangy "cacheté" ihany no sotroina
-Mampiasa kabone ara-pahasalamana. Diovina tsara foana ny toeram-pivoahana. Fadiana ny manao maloto ankalamanjana ;
-Diovina tsara ny trano sy ny manodidina ;
-Manantona toeram-pitsaboana avy hatrany raha vao misy mampiahiahy, indrindra fa raha marary kibo ny zaza sy ny ankizy ;
-Raha misy mararin'ny Choléra dia atokana toerana manokana, ary mila manaja ny toromarika rehetra omen'ny mpitsabo ny mpiandry marary.
Tsara ny manamarika fa 15 andro ny fihibohaba ho an'ireo mararin'ny choléra. Tsy mora ny fitsaboana koa samia àry mitandrina.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo