Harerahan’ny maso : ny antony sy ny tokony atao hisorohana izany
Menamena sy mangirifiry ny maso, latsaka ho azy ny ranomaso… maro ireo olona tratry ny harerahan’ny maso nefa tsy mahafantatra izany. Mety mitarika areti-maso izany raha tsy voatandrina tsara. Fa inona no mahatonga ny harerahan’ny maso ary inona no tokony atao hisorohana izany ?
Inona no mahatonga ny harerahan’ny maso ?
Rehefa reraka ny maso dia lasa mivaramena, mavesabesatra, misy ranomaso milatsaka matetika… Ny harerahan’ny maso dia vokatry ny fampiasana ity farany be loatra, mihoatra ny tokony ho izy. Ny fijerana ela loatra ny fitaovana misy « écran » toy ny toy ny fahitalavitra, finday, solosaina, tablette, jeux vidéo… no isan’ny mamizaka ny maso indrindra. Mampitombo ny harerahana ny fampiasana ireny fitaovana ireny vao maraina be na alina loatra.
Miteraka harerahan’ny maso ihany koa ny famakiana teny rehefa mandeha (na tongotra na fiara) noho izany mitaky fitantohana kokoa amin’ny maso. Mety mahatonga izany ihany koa ny taratry hazavan’ny masoandro eo amin’ny maso mandritra ny fotoana maharitra. Ny harerahan’ny maso diso tafahoatra dia mety mitarika aretina an-doha sy areti-maso raha toa ka tsy voatandrina tsara. Rehefa miseho ireo fambara ny harerahan’ny maso dia tsara ny manantona mpitsabo maso mba ahazoana ny fandraisan-tanana sahaza izany.
Ireo fomba atao hisorohana ny harerahan’ny maso
Ny harerahan’ny maso dia vokatr’ireo fahazarana tsy voatandrina eo amin’ny fiainana andavanandro. Ireto avy ary no tokony atao mba hiarovana ny maso tsy ho vizaka :
-Ahena ny fotoana hijerena ireo fitaovana misy écran. Tsy tokony mijery finday na tablette, milalao « jeux vidéo » na mijery fahitalavitra intsony rehefa ao aorian’ny amin’ny 8 ora alina sy ao alohan’ny amin’ny 7 ora maraina.
-Ho an’ireo olona miasa amin’ny solosaina dia tsara raha mitsangana isaky ny adiny iray mba ahafahan’ny maso mijery zavatra hafa sy maka aina.
-Rehefa eny ankalamanjana na eny ivelan’ny trano dia tsara raha arovana amin’ny satroka na solomaso miaro amin’ny hazavan’ny masoandro ny maso, indrindra rehefa mitonga fiara.
-Tsy mijery finday na mamaky teny rehefa mandeha (na tongotra na fiara) mba tsy ampiasana mafy loatra ny maso.
-Mila manamboatra ny fomba fiaina ihany koa hiarovana ny fahasalaman’ny maso. Ilaina ny mihinana sakafo mitahiry vitamine D, manao ampy torimaso tsara, tsy mifoka sigara nohon’ny setroka sigara mankany anaty maso…