• Cours de change
  • 4675.61 AR
  • |
  • $4353.37 AR
Copyright Image : © Vie Pratique
Image
Fahasalamana&Sakafo

Te hanena vatana : ahoana no atao ?

19/05/2023 17:25 © Moov.Mg

Samy maniry ny mba hanana bika tsara avokoa ny olona rehetra. Ny ngeza loatra te hiena ary ny kely loatra te hatavy. Ireo torohevitra natoraly afaka manampy raha te hanena vatana ary no andeha ho resahina anio. Mialoha izany anefa, tsara raha fantarina ireo antony mety mahatonga ny olona iray ho matavy sy sarotra mihena.

Inona no mety mahatonga ny olona iray matavy sy sarotra mihena ?

Ny vahana no antony iray voalohany mahatonga ny olona iray matavy loatra sy sarotra mihena. Izany hoe efa « génétique » mihintsy no mahatonga ny vatany ho ngeza sy tsy mety mahia. Mety ho matavy izany ny olona iray raha misy matavy toy izany ny ray aman-dreniny na ao amin’ny fianakaviana. Antony iray hafa mety mahatonga olona iray ho ngeza loatra ihany koa ny fihinanana sakafo diso tafahoatra nohon’ny adin-tsaina. Misy ihany koa ireo tsy aretina na tsy fahatomombanana ara-pahasalamana mety mikorontana ny « hormones » ka mahatonga ny olona hatavy. Noho izany, mila mizaha fahasalamana ny olona ngeza be tampoka nefa tsy misakafo be loatra mba ahafantarana ny anton’izany fitomboana izany.

Manampy ny olona te hanena vatana ny fihinanana sakafo ara-pahasalamana

Ny fihinanana sakafo ara-pahasalamana no tokony atao voalohany raha te hanena vatana. Mila hita anaty sakafo hoanina isan’andro avokoa ireo otrik’aina ilain’ny vatana mba hahasalama sy hampatanjaka azy. Tsara kosa raha atao voalanjalanja tsara izany. Izany hoe asiana voankazo sy legioma, hena na trondro, vokatra azo avy amin’ny ronono, sakafo misy lafarinina, vary… ny sakafo isan’andro. Atao kely kosa ny fatra hoanina mba hampihena ny vatana. Fadiana ny mihinana sakafo anelanelam-potoana na hoe manao « goûter ». Tsy atao ambanin-javatra ihany koa ny fisotroana rano.

Manao fanatanjahantena raha te hanena vatana

Raha te hanena vatana haingana sy amin’ny fomba ara-pahasalamana dia ilaina ny manao fanatanjahantena. Ilaina indrindra ny mampihetsika ny vatana mba hisorohana ny tavy ratsy miandrona. Ezahana atao mafimafy sy maharitra ny fanatanjahantena atao mba ho tsemboka tsara sy mba handoroana ireo « calories » mihoatra ao anaty vatana. Azo atao ohatra ny mihazakazaka 20 na 30 minitra isan’andro. Afaka miditra amin’ireny efitra fanaovana fanatanjahantena na « salle de sport » ireny raha manana fahafahana manao izany. Tsara raha manaraka fanazarana ampanaovin’ireny mpanazatra za-draharaha ireny. Rehefa mafana ny andro dia tsara ihany koa ny milomano. Mampiasa ny vatana rehetra ny filomanosana ka manampy betsaka amin’ny fanenana vatana.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo