• Cours de change
  • 4675.61 AR
  • |
  • $4353.37 AR
Copyright Image : © Lavilab
Image
Fahasalamana&Sakafo

Zaza an-tsoso-koditra (GEU) : fitondrana vohoka ivelan’ny tranon-jaza

11/05/2023 09:40 © Moov.Mg

Tranga matetika heno ny hoe vehivavy manao zaza antsoso-koditra. Mila fandraisana an-tanana haingana ny vehivavy manao izany vohoka tsy ara-dalàna izany satria mety mitarika fahamombany na fahafatesany raha tara loatra. Ndeha ho resahina ny atao hoe zaza antsoso-koditra, ny antony, ny fomba fisehony ary ny fitsaboana izany.

Inona no atao hoe zaza an-tsoso-koditra ?

Ny fiforonana sy fipetrahan’ny zaza ivelan’ny tranon-jaza no atao hoe zaza antsoso-koditra na « grossesse extra-utérine (GEU) ». Mahazana moa dia ao amin’iray amin’ireo trompes de Fallope, izany hoe ilay fantsona mampifandray ny ovaire sy ny tranon-jaza, no mipetraka ny zaza an-tsoso-koditra. Tsy afaka ny ho velona ny fœtus miforona ivelan’ny fœtus satria tsy ampy ny rà mamelona azy. Eo amin’ny faha 6 hatramin’ny faha 16 herinandro ny vohoka eo moa no maty ilay fœtus ary mitranga ireo tsy fahatomombanana ateraky ny zaza an-tsoso-koditra eo amin’ny fahasalaman’ilay vehivavy bevohoka. Anisan’izany ny fahavakisan’ilay fitoerana nipetrahan’ilay fœtus, ny hémorragie…

Inona ny antony mahatonga ny zaza antsoso-koditra ?

Ny tsy fahatomombanana eo anivon’ny trompe matetika no mahatonga ny zaza antsoso-koditra. Maro ireo antony tsy maha tomombana ny trompe, toy ny fiantraikan’ny areti-mifindra azo avy amin’ny firaisana ara-nofo tsy voatsabo, ny fahatsentsenana na fahateren’ny trompe… Misy ihany koa ireo antony hafa mety mitarika ny zaza antsoso-koditra, toy fifohana sigara be loatra, ny fampiasana sterilet na ny fihinanana pilina tsy mampiteraka. Mety mahatonga izany vohoka ivelan’ny tranon-jaza izany ihany koa ny fanalan-jaza iray na matetika loatra.

Ahoana ny fomba ahafantarana ny vehivavy manao zaza an-tsoso-koditra ?

Miovaova araky ny olona ireo fambaran’ny zaza an-tsoso-koditra ary mety tsy hiseho raha tsy efa vaky ilay fitoerana nipetrahan’ilay fœtus tao ivelan’ny tranon-jaza. Amin’ny ankapobeny moa dia misy rà miloko mandeha kely amin’ilay vehivavy bevohoka. Mahatsapa fanaintainana mafimafy sy manaikitra be tampoka ao amin’ny ilan’ny kibo. Rehefa mitranga ny fahavakisan’ily fitoeran’ny fœtus voalaza eo ambony io dia mahatsapa fanaitanana tena tsy zaka ilay vehivavy ka mety hahatera-tsemboka na hanasafotra azy mihintsy izany. Raha tara loatra ny fahitana fa manao zaza an-tsoso-koditra dia sarotra kokoa ny mitsabo azy. Mety hitarika ny fahafatesany ny fahaverezana rà be loatra. Ny fanaovana fitiliana rà HCG (hormone de grossesse) na échographie no hahafantarana marina raha manao zaza an-tsoso-koditra ny vehivavy bevohoka.

Ny fomba fitsaboana ny GEU

Raha fantatra sy voaray an-tanana aloha ny vehivavy manao zaza an-tsoso-koditra dia misy fanafody omen’ny mpitsabo hampijanonana ilay vohoka ivelan’ny tranon-jaza. Raha toa kosa ka efa vaky ilay fitoerana nipetrahan’ilay "fœtus" tao ivelan’ny tranon-jaza dia tsy maintsy mandalo fandidina maika ilay vehivavy bevohoka. Tsy maintsy eny amin’ny toeram-pitsaboana lehibe toy ny hopitaly na clinique no atao izany fandidiana izany. Marihana fa mbola afaka miteraka ny vehivavy afaka volana vitsivitsy. Raha toa kosa ka niatrika fandidiana indroa, izany hoe notapahiana avokoa ireo trompes miisa roa noho ny GEU indroa, dia tsy afaka miteraka intsony ilay vehivavy, na firy taona na firy taona.

Mba hisorohana ny fahatongavana amin’ny fandidiana dia tsara ny manantona mpitsabo ary manao fitiliana échographie vao mitoe-jaza. Izany dia mba ahitana mialoha hoe ao anatiny sa ao ivelan’ny tranon-jaza ilay vohoka.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo