« Vision trouble » na manjavozavo ny fahitana : ireo fambara tokony hahamailo
Mihena tampoka ny fahitana, manjavozavo… Tsy azo atao tsirambina ny tsy fahatomombanan’ny fahitana. Ankoatra ny fizahana maso isan-taona na isaky ny roa taona, dia misy ireo fambaran’ny « vision trouble » na hoe manjavozavo ny fahitana izay tokony handrisika hanantona mpitsabo maso.
Inona no atao hoe « vision trouble » na hoe manjavozavo ny fahitana ?
Ny « vision trouble » na hoe « vision floue » dia soritr’aretin’ny maso iray miseho amin’ny fanjavozavoan’ny fahitana ka lasa mihena ny fahazavan’ny zavatra hitan’ny maso. Misy soritr’aretina hafa mety miseho miaraka amin’ity tsy fahatomombanan’ny fahitana ity.
Tsy voatery ho fambaran’aretina foana moa ireo fambara miseho, nefa kosa tokony mandrisika hanantona mpitsabo maso izany, indrindra raha tsy miverimberina matetika na tsy mety misinda. Maro ireo antony mety mahatonga ny « vision trouble », ka anisan’izany ny areti-maso, toy ny « cataracte précoce », « rétinopathie », « glaucome », diabeta…
« Vision trouble » na « floue » : ireo fambara mety miara-miseho aminy
Misy amin’ireo tsy fahatomombanan’ny maso mitranga tampoka, miseho miaraka amin’ny fahitana manjavozavo no mila mahamailo sy mandrisika mizaha maso any amin’ny mpitsabo manokana ny maso. Anisan’izany ny hoe :
-Mihena be tampoka ny fahitana ;
-Misy fahasimbana na fahatapahana ao amin’ny lalandràn’ny maso ;
-Mandeha rà be loatra na manao « hémorragie » raha diabetika ;
-Tsy mahazaka hazavana ;
-Mahita teboka mainty eo alohan’ny maso ;
-Mahita roa (voir double) tampoka.
Oviana no mila manantona mpitsabo ?
Ny fahamainan’ny maso vokatry ny fomba fiaina (fampiasana « écrans » be loatra, loto entin’ny rivotra) sy ny « conjonctivite » dia isan’ireo tsy fahatomombanan’ny maso azo entina zahana sy tsaboin’ny mpitsabo (généraliste).
Ny fikorontanan’ny fahitana mafy sy tampoka kosa dia mila mandrisika hanantona mpitsabo manokana ny maso. Manantona tobim-pahasalamana raha toa ka mbola tsy afaka mandray avy hatrany ny mpitsabo maso. Ny fandraisana an-tanana mialoha dia manamora kokoa ny fitsaboana, ary indrindra mety hahafahana misoroka ny fahajambana.


