• Cours de change
  • 5167.08 AR
  • |
  • $4493.57 AR
Copyright Image : © Theratabac
Image
Fahasalamana&Sakafo

Miala sigara : torohevitra hifehezana ny tebiteby sy hakizitinana aterak’izany

30/10/2025 16:11 © Moov.Mg

« Processus de sevrage » no iantsoana ny dingana lalovana amin’ny fialana amin’ny fiankinan-doha amin’ny zavatra iray, toy ny sigara, toaka, zava-mahadomelina… Dingana sarotra sy lehibe hialana amin’ny fiankinan-doha izy io, nefa koa mety mitarika soritr’aretina manelingelina sy tsy mampahazo aina, toy ny tebiteby sy fahakizitinana. Andeha fantarina eto ny mety mahatonga ireo soritr’aretina ireo rehefa miala sigara sy ny fomba manampy hifehezana izany.

Tebiteby sy fahakizitinana rehefa miala sigara : inona no antony ?

Ny tebiteby sy ny fahakizitinana dia « réactions » ara-dalàn’ny vatana sy ny saina rehefa tsy mahazo ny « substance » na ny fihetsika nahazatra azy izy. Anisan’ireo antony mahatonga azy ireo rehefa miala sigara ny :
-« Déséquilibre chimique ». Ny sigara sy ny fifohana izany dia manova ny « équilibre des neurotransmetteurs » ao amin’ny atidoha. Rehefa mijanona tsy mifoka intsony dia mila miverina mizatra ny atidoha. Izany moa dia mety mitarika « hyper-réactivité » sy rarintsaina maharitra.
-« Perte d’un mécanisme de coping ». Ny fiankinan-doha tamin’ny sigara matetika dia natao ho fitaovana hifehezana ny rarintsaina, ny « ennui » na ny fihetseham-po mafy. Rehefa tsy eo intsony io fitaovana io dia lasa mitroatra ireo fihetseham-po ka mahazana izany dia miseho amin’ny tebiteby sy fahakizitinana.
-Amin’ny ankapobeny dia miankina amin’ny naharetan’ny fotoana nifohana sigara sy ny habetsaky ny fohana isan’andro ny fipoitr’ireo soritr’aretin’ny « processus de sevrage » ireo. Eo amin’ny ankamaroan’ireo olona miala sigara dia mafy kokoa ireo soritr’aretina ireo mandritra ny andro vitsy na herinandro vitsy nijanonana tsy nifoka intsony. Mihena tsikelikely ny hamafin’izany rehefa mandeha ny fotoana.

Torohevitra manampy hifehezana sy hampitoniana izany

Maro ireo « méthodes » na fomba azo atao hiatrehana io fotoana sarotra amin’ny fialana sigara io. Zava-dehibe ny fanandramana fomba maro mba hahitana ny mandaitra sy mety amin’ny tena.
-« Respiration » sy « relaxation »
Isan’ireo fomba hampitoniana malaky kokoa ny atidoha mikorontana vokatry ny fialana sigara ny fandrindrana ny « respiration ». Mitroka rivotra mandritra ny 5 segondra, mamoaka rivotra 5 segondra ka atao mandritra ny 5 minitra izany. Manampy betsaka handrindrana ny fitempon’ny fo sy hampitoniana ny saina izany.
-Manetsiketsika vatana (activité physique)
« Antidépresseur » sy « anxiolytique » voajanahary matanjaka ny fanaovana « exercices physiques » na mampihetsiketsika vatana. Anisan’ny azo atao ny mandeha tongotra maka rivotra madio mandritra ny 30 minitra. Azo atao ihany koa ny miazakazaka, milomano na mitaingina bisikileta satria ny fihetsika miverimberina dia manampy ny saina hifantoka amin’ny vatana sy manadinodino ny tebiteby vokatry ny fialana sigara.
-Mampiala voly ny saina
Rehefa tsapa fa te hifoka sigara mafy na hoe manomboka mipoitra ilay tebiteby sy fahakizitinana dia ezahana toherina amin’ny fampialana voly ny saina sy ny vatana. Anisan’ny azo atao ohatra ny mamaky boky, manao sary, miaraka amin’ny namana…

Lire la suite

Articles Similaires